Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 19:39 - DIEM PROTESTANTA

Ireo tanàn-dehibe ireo miampy ny tanàna kely miankina aminy no zaratany nolovan’ny foko taranak’i Naftalỳ ho an’ireo tarika ao anatiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo no lovan’ny fokon’i Naftaly araka ny fianakaviana, dia ireo tanàna ireo mbamin’ny vohitra miankina aminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo tanàn-dehibe ireo miampy ny tanàna kely miankina aminy no zaratany nolovan’ny foko taranak’i Naftalỳ ho an’ireo tarika ao anatiny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izany no lovan’ny fokon-taranak’i Neftalì, araka ny fianakaviany, ny tanàna sy ny zana-bohiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izany no lovan’ny firenena taranak’i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izany no lovan'ny firenena taranak'i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo no lovan’ny fokon’i Naftaly araka ny fianakaviana, dia ireo tanàna ireo mbamin’ny vohitra miankina aminy.

Jereo ny toko



Josoa 19:39
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia neken’i Bena-Hadada ny fangatahan’i Asà mpanjaka; ary nirahiny ireo filohan-tafiny hamely ny tanànan’i Israely, ka dia nahazo an’i Hiôna sy i Dana ary i Abela-Bety-Mahekà sy ny faritr’i Kinerôta mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo.


mifanolotra amin’ny faritanin’i Asera no hisy ny anjaran’i Naftalỳ;


i Jirôna, i Migdaliela, i Hôrema, i Bety-Hanata ary i Bety-Semesa; izany hoe tanàn-dehibe 19 samy miampy ny tanàna kely miankina aminy.


Ny anjara navoakan’ny antsapaka fahafito dia azon’ny foko danita ho an’ireo tarika ao anatiny.