Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.
Dia natokan’ny Israelita ireto tanàna ireto: i Kedesa any Galilea any amin’ny faritra havoan’i Naftalỳ; sy i Sekema, any amin’ny faritra havoan’i Efraîma; ary i Kiriata-Arbà (antsoina hoe koa Hebrôna) any amin’ny faritra havoan’i Joda.
Avy tamin’ny fokon’i Naftalỳ dia i Kedesa any Galilea, izay tanàna fialofana, i Hamôta-Dôra ary i Kartàna: izany hoe tanàna telo mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.
Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.