Dia nanao araka ny nandidian’ny TOMPO azy i Davida ka nandresy ny Filistinina hatreo Geba ka hatrany Gezera.
Josoa 18:24 - DIEM PROTESTANTA i Kefara-Hamônà, i Hôfnỳ, ary i Geba; izany hoe tanàna 12 miampy ireo tanàna kely miankina aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Kefara-Hamony, i Ofny, i Geba: Tanàna roa amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Kefara-Hamônà, i Hôfnỳ, ary i Geba; izany hoe tanàna 12 miampy ireo tanàna kely miankina aminy. Baiboly Katolika i Kefara-Emôna, i Ofnì ary i Gabe: tanàna 12 sy ny zana-bohiny. Baiboly Protestanta Malagasy sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny; Malagasy Bible sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny; La Bible en Malgache i Kefara-Hamony, i Ofny, i Geba: Tanàna roa amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy; |
Dia nanao araka ny nandidian’ny TOMPO azy i Davida ka nandresy ny Filistinina hatreo Geba ka hatrany Gezera.
Nampiantsoin’i Asà mpanjaka avokoa ny Jodeanina tsy ankanavaka hitondra ny vato sy ny hazo izay voaangon’i Bahasà hanamafisana an’i Ramà; dia nampiasain’i Asà ireo fitaovana ireo hanamafisana an’i Geban’i Benjamîna ary koa i Mitsepà.
Nasainy tonga tany Jerosalema ny mpisorona rehetra avy amin’ny tanànan’i Joda; dia narodany ny toeram-panasinana izay fampiasan’ireo mpisorona sandoka ireo sy fandorany sorona hanetona, hatreo Geba ka hatrany Beera-Seba; ary noravany tao Jerosalema ireo toeram-panasinana teo akaikim-bavahady, indrindra ilay teo anoloan’ny vavahadin’i Josoa governoran’ny tanàna ka teo ankavia raha miditra ny tanàna.
Mamakivaky ny hadilanana izy sady miteny hoe: «Any Geba isika no hitoby anio alina.» Mangovitra noho ny tahotra ny ao Ramà; lasa mitsoaka ny ao Gibehà, izay tanàna fiavian’i Saoly.
Avy tamin’ny fokon’i Benjamîna koa ny nomena ny taranak’i Aharôna dia i Gibehôna, i Geba,
Novonoin’i Jônatàna ho faty ny governora filistinina izay tao Gebà, ary fantatry ny Filistinina izany. Nasain’i Saoly notsofina nanerana ny taniny tontolo ny anjomara satria hoy izy anakampony hoe: «Aoka ho fantatry ny Hebreo izany!»