Hisy fananana ho an’ny mpisorona, dia Izaho izany; koa tsy homenareo zaratany amin’i Israely izy, fa Izaho no anjarany.
Josoa 13:33 - DIEM PROTESTANTA Tsy mba nomen’i Mosesy zaratany kosa ny fokon’i Levỳ; satria, araka ny nolazainy taminy, dia ny manompo ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no anjarany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy mba nomen’i Mosesy lova anefa ny fokon’i Levy; fa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy mba nomen’i Mosesy zaratany kosa ny fokon’i Levỳ; satria, araka ny nolazainy taminy, dia ny manompo ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no anjarany. Baiboly Katolika Tsy mba nomen’i Môizy lova ny fokon’i Levì, fa i Iaveh Andriamanitr’i Israely no lovany, araka ny voalazany taminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny firenen’i Levy tsy mba nomen’i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy. Malagasy Bible Ary ny firenen'i Levy tsy mba nomen'i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy. La Bible en Malgache Tsy mba nomen’i Mosesy lova anefa ny fokon’i Levy; fa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy. |
Hisy fananana ho an’ny mpisorona, dia Izaho izany; koa tsy homenareo zaratany amin’i Israely izy, fa Izaho no anjarany.
Dia hoy indray ny TOMPO tamin’i Aharôna: –Tsy mba hahazo fananana sy anjara ianao eo amin’ny tanin’ireo Israelita, fa Izaho no anjaranao sy fanananao eo anivon’ny Israelita hafa.
Izany no tsy ananan’ny levîta zaratany na anjara eo amin’ny Israelita namany; fa ny TOMPO no anjarany, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminy.)
Ny fokon’i Levỳ kosa no hany tsy nomen’i Mosesy zaratany holovany. Ny anjarany dia alaina amin’ny sorona dorana amin’ny afo ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely araka izay efa nampanantenain’ny Tompo azy.
Ireo tany ireo no voazaran’i Mosesy teny atsinanan’i Jerikao, ampita atsinanan’i Jôrdàna, fony izy tao amin’ny lemak’i Môaba.
Tsy hisy anjara ho an’ny Levita eo anivonareo satria ny fisoronana amin’ny TOMPO no lovany. Ny fokon’i Gada sy fokon’i Reobena ary antsasa-pokon’i Manase koa dia efa nahazo ny zaratany teny ampita atsinanan’i Jôrdàna, ka i Mosesy mpanompon’ny TOMPO no nanome azy izany.