Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 13:10 - DIEM PROTESTANTA

dia mahazo ireo tanànan’i Sihôna, ilay mpanjaka amôrita nanjaka tao Hesbôna sy nanan-tany tafapaka hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Hamônita;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ny tanàna rehetra izay an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatrany amin’ny sisintanin’ny taranak’i Amona,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia mahazo ireo tanànan’i Sihôna, ilay mpanjaka amôrita nanjaka tao Hesbôna sy nanan-tany tafapaka hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Hamônita;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ny tanàna rehetra an’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nanjaka tao Hesebona, hatrany amin’ny faritanin’ny taranak’i Amôna,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny tanàna rehetra izay an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatramin’ny fari-tanin’ny taranak’i Amona,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny tanàna rehetra izay an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatramin'ny faritanin'ny taranak'i Amona,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ny tanàna rehetra izay an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatrany amin’ny sisintanin’ny taranak’i Amona,

Jereo ny toko



Josoa 13:10
5 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’ny nandresen’i Mosesy an’i Sihôna, ilay mpanjakan’ny Amôrita sady nonina tao Hesbôna, sy taorian’ny nandreseny tao Edrehỳ an’i Hôga, ilay mpanjakan’i Basàna sady nonina tao Hastarôta, no nitrangan’izany.


Dia ho tonga ao akaikin’ny Hamônita ianareo, kanefa aza mandrafy azy na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, satria nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta izany.»


ao anatiny koa i Gilehada, ny faritanin’i Gesora sy i Mahekà, ny tendrombohitra Hermôna, ary i Basàna manontolo hatrany Salkà;


ny tanin’izy telo tonta dia manomboka eo amin’ny tanàna Harôhera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy eo amin’ilay tanàna antenatenan’io lohasaha io, any atsimo; dia mahafaoka ny lembalemba rehetra manodidina an’i Medebà ka hatrany Dibôna;