Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 10:24 - DIEM PROTESTANTA

Ary nony naseho teo anatrehan’i Josoa ireo mpanjaka ireo, dia namory ny lehilahy israelita rehetra i Josoa ka niteny tamin’ny mpitari-tafika niara-nikatroka taminy nanao hoe: –Manatona ianareo, ka hitsaho ny vozon’ireo mpanjaka ireo. Dia nanatona izy ka nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa navoaka tao ireo mpanjaka ireo ka noentina ho eo amin’i Josoa dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ny Israely i Josoa ka niteny tamin’ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatòna ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona ireo ka nanao ny tongony teo amin’ny vozon’ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nony naseho teo anatrehan’i Josoa ireo mpanjaka ireo, dia namory ny lehilahy israelita rehetra i Josoa ka niteny tamin’ny mpitari-tafika niara-nikatroka taminy nanao hoe: –Manatona ianareo, ka hitsaho ny vozon’ireo mpanjaka ireo. Dia nanatona izy ka nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony efa navoakany ho eo anatrehan’i Jôsoe, ireo mpanjaka ireo, dia nantsoin’i Jôsoe ny lehilahy rehetra amin’i Israely ka hoy izy tamin’ireo filohan’ny lehilahy mpiantafika, izay niaraka taminy: «Manatòna ianareo, ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo.» Dia nanatona ireo ka nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka tamin’ny tongony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin’i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ny Isiraely Josoa ka nanao tamin’ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatòna, ka ataovy eo amin’ny vozon’ ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin’ny vozon’ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin'i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely Josoa ka nanao tamin'ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin'ny vozon'ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin'ny vozon'ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa navoaka tao ireo mpanjaka ireo ka noentina ho eo amin’i Josoa dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ny Israely i Josoa ka niteny tamin’ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatòna ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona ireo ka nanao ny tongony teo amin’ny vozon’ireo.

Jereo ny toko



Josoa 10:24
18 Rohy Ifampitohizana  

Ringaniko sy montsaniko ireo ka tsy hiarina intsony ary dia mitsitra ambany tongotro.


Ataonao mandositra ahy ny fahavaloko ary aringako ireo mpankahala ahy.


Ataon’ny Tompo rakotra henatra ny mpifehy ka mirenireny an-tany foana tsy misy lalana;


Salamo nataon’i Davida. Ny TOMPO Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: «Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako. Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»


Andriamanitra ô, efa eo ankavananao ilay Tompo Mpanjaka; dia mpanjaka maro no haripany amin’ny andro fahatezerany.


Omenao hery hoenti-miady tokoa aho, ka adabokao ho ambaniko ny mpamely ahy.


Hodiavinao ny liona sy ny menarana hohitsahinao ny tigra sy ny dragona.


Io tsatokaty io dia hatolotro eo an-tanan’ny nampahory anao, dia ireo olona nilaza taminao hoe: ‹Miankohofa amin’ny tany mba hohitsahinay›; ka voatery ianao nanolotra ny lamosinao ho tahaka ny tany eny an-dalambe natao hohitsahin’ireo mpandalo.»


Ilay Andriamanitra loharanon’ny fiadanana kosa hanorotoro faingana an’i Satàna eo ambany tongotrareo! Homba anareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompontsika!


Sambatra ianareo, ry Israelita! Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin’ny TOMPO? Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo. Hikoy aminareo ny fahavalonareo, ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.»


Tsy misy na oviana na oviana anjely nilazan’Andriamanitra hoe: «Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!»


Ary nandidy an’i Jetera zanany lahimatoa i Gidehôna hoe: –Mitsangàna, vonoy ho faty ireo! Fa tsy sahy nanatsoaka ny sabany ilay zatovolahy, satria mbola tanora loatra izy ka natahotra.