Ary hoy koa aho anakampoko hoe: «Hampitony anie ny tenin’ny andriamanjaka. Fa tahaka ny anjelin’Andriamanitra izy ka mahalala ny tsara sy ny ratsy.» Hiaraka aminao anie ny TOMPO Andriamanitrao.
Josoa 1:17 - DIEM PROTESTANTA Tsy misy hafa amin’izay hankatoavanay mandrakariva an’i Mosesy no hankatoavanay anao koa. Homba anao anie ny TOMPO Andriamanitrao tahaka izay nanombany an’i Mosesy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Araka ny nihainoanay an’i Mosesy tamin’ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa. Homba anao anie NY TOMPO Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy misy hafa amin’izay hankatoavanay mandrakariva an’i Mosesy no hankatoavanay anao koa. Homba anao anie ny TOMPO Andriamanitrao tahaka izay nanombany an’i Mosesy. Baiboly Katolika Toy ny nanekenay an’i Môizy tamin’ny zavatra rehetra, no hanekenay anao koa. Fa aoka kosa anie homba anao i Iaveh Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy Araka ny nihainoanay an’i Mosesy tamin’ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Mosesy. Malagasy Bible Araka ny nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Mosesy. La Bible en Malgache Araka ny nihainoanay an’i Mosesy tamin’ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa. Homba anao anie NY TOMPO Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Mosesy. |
Ary hoy koa aho anakampoko hoe: «Hampitony anie ny tenin’ny andriamanjaka. Fa tahaka ny anjelin’Andriamanitra izy ka mahalala ny tsara sy ny ratsy.» Hiaraka aminao anie ny TOMPO Andriamanitrao.
Toy ny efa nanombàn’ny TOMPO anao anie, ry andriamanjaka, no hanombàny koa an’i Salômôna; ary hataony be voninahitra noho ny anao anie ny sezafiandrianan’i Salômôna!
Ary hoy koa i Davida tamin’i Salômôna zanany: –Mahereza sy matanjaha ka mahefà! Aza matahotra na mivadi-po fa ny TOMPO Andriamanitra, ilay Andriamanitro, no miaraka aminao. Tsy handao na hahafoy anao Izy mandra-pahavita ny asa rehetra fanatontosana ny tranon’ny TOMPO.
Dia hoy ny TOMPO namaly an’i Mosesy: –Alao i Josoa zanakalahin’i Nona fa lehilahy itoeran’ny Fanahiko. Izy no hametrahanao tanana,
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe: «Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida! Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy! Dera anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra!»
I Josoa, zanakalahin’i Nona, dia feno fanahy fahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana; ka nihaino azy ny Israelita sady nanatanteraka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.
Dia namaly an’i Josoa ireo ka nanao hoe: –Hataonay avokoa izay rehetra andidianao anay ary halehanay avokoa na aiza na aiza anirahanao anay.
Ary na iza na iza mikomy aminao ka mandà tsy hankatò ny baikonao, dia hatao maty. Eny, aoka ho sahy sy hahery ianao!
Ry Josoa, tsy misy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao rehetra, fa homba anao Aho tahaka izay efa nombako an’i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao na oviana na oviana.
Moa tsy efa nandidy anao ve Aho mba ho sahy sy hahery? Koa aza matahotra na mivadi-po fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no homba anao amin’izay rehetra alehanao.
Tamin’izany andro izany, dia nohamafisin’ny TOMPO teo imason’ny Israelita rehetra ny fahefàn’i Josoa; koa nohajaina tahaka ny nanajana an’i Mosesy izy nandritra ny andro rehetra niainany.
Ny TOMPO izay efa niaro ahy tamin’ny hohon’ny liona sy ny bera, dia hanafaka ahy koa amin’ny tanan’io Filistinina io. Dia hoy i Saoly tamin’i Davida: –Mandehana àry, ka homba anao anie ny TOMPO!
dia enga anie hosazîn’ny TOMPO mafy tokoa aho raha tsy mampandre anao! Koa halefako ianao handeha tsy amin’ahiahy, ary dia homba anao tahaka ny nombàny ny raiko anie ny TOMPO!