Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joda 1:13 - DIEM PROTESTANTA

toy ny onjan-dranomasina misamboaravoara ka mamorivory henatra vokatry ny ataony; toy ny tain-kintana mirenireny, ka voatahiry mandrakizay ho an’ny haizina mangitsokitsoka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny asa mahamenatra ataony, kintana mifindrafindra ka voatahiry ho azy mandrakizay ny haizina mikitroka!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

toy ny onjan-dranomasina misamboaravoara ka mamorivory henatra vokatry ny ataony; toy ny tain-kintana mirenireny, ka voatahiry mandrakizay ho an’ny haizina mangitsokitsoka.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

onjan-dranomasina misamboaravoara, mandoa vorin’ny fahafaham-baràka ho azy; ary kintana mirenireny, fiandrin’ny haizim-pito mandrakizay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan’ny maizina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny fahamenarany; kintana mifindrafindra, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

onjan-dranomasina mitopatopa mamorivory ny asa mahamenatra ataony, kintana mifindrafindra ka voatahiry ho azy mandrakizay ny haizina mikitroka!

Jereo ny toko



Joda 1:13
12 Rohy Ifampitohizana  

Tompo ô, tanjaka sy hery no asehonao, ka ataonao miorina mafy ny vohitra,


Fa ny olon-dratsy kosa dia toy ny ranomasina misamboaravoara sady tsy afaka mitoetra milamina; fa mamoaka loto sy fotaka ny ranony.


Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.


Fa ny olona ratsy fanahy sy mpanoloky dia vao mainka hiharatsy hatrany, sady mamitaka no voafitaka.


Ireo mpampianatra sandoka ireo dia loharano ritra, zavona avoivoin’ny tafio-drivotra, ka ny haizim-pito no voatahiry ho azy ireo.


ary ny anjely izay tsy nitana ny fiamboniana nomena azy fa nandao ny fonenany, dia tazonin’ny Tompo am-patorana mandrakizay ao anaty haizina mandra-pahatongan’ny andro lehibe hanamelohana azy;


Ny devoly izay namitaka azy ireo dia natsipy tany amin’ny farihy afo aman-tsolifara, izay efa nanipazana ilay biby sy ilay mpaminany sandoka; ary hampijalîna andro aman’alina mandrakizay mandrakizay izy telo ireo.


Fa ny kanosa, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra, dia hanana ny anjarany any amin’ny farihy mirehitra afo aman-tsolifara: izany no fahafatesana faharoa.