Jeremia 45:3 - DIEM PROTESTANTA «Idiran-doza aho, hoy ianao, fa ampian’ny TOMPO alahelo indray ny fahoriako; efa sasatry ny misento aho fa tsy mba misy hitsaharana!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ianao: Nidiran-doza aho ity fa nampian’NY TOMPO alahelo ny fanaintainako! Efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Idiran-doza aho, hoy ianao, fa ampian’ny TOMPO alahelo indray ny fahoriako; efa sasatry ny misento aho fa tsy mba misy hitsaharana!» Baiboly Katolika Ianao nanao hoe: «Idiran-doza aho ity! fa tsindrian’i Iaveh alahelo ny fijaliako, reraky ny misento aho, fa tsy mahita fitsaharana.» Ka lazao aminy hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Hoy hianao: Idiran-doza aho ity! fa nampian’i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana. Malagasy Bible Hoy ianao: Idiran-doza aho ity! fa nampian'i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana. La Bible en Malgache Hoy ianao: Nidiran-doza aho ity fa nampian’NY TOMPO alahelo ny fanaintainako! Efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana. |
Inona ny amiko raha tsy natoky aho fa hahita ny hatsarampon’ny TOMPO eto amin’ity tany iainantsika ity?
Tsy hitanondrika foana aho, Tompo ô, fa aleoko mivetsovetso Anao avy atỳ amin’ny faritra iandohan’i Jôrdàna, dia ny tendrombohitra Hermôna sy Mitsehara.
Trotraky ny sento aho; ka isan’alina dia kotsan’ny tomaniko ny fandriako ary vonton-dranomaso ny kidoroko.
Milentika amin’ny fota-mandrevo aho sady tsy mahita izay hifaharana; tonga amin’ny rano lalina aho ary efa indaosin’ny riaka.
Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.
Nandefa afo avy tany an-danitra Izy mba haninteraka ny taolako. Namela-pandrika haningotra ny tongotro Izy ka nampitsinkasina ahy. Nataony lao mihitsy aho, ka mararirary isan’andro.
Ho tonga eo anatrehanao anie ny faharatsiany rehetra ka valio izy tahaka ny namalianao ahy tamin’ny fahadisoako rehetra. Satria maro loatra ny sentoko ka mankararirary ny foko izany.
Izahay no manana izany fanompoana izany, dia noho ny indrafon’Andriamanitra taminay; koa tsy mety ketraka izahay.
Izany no tsy mahaketraka anay, fa na dia mihalevona aza ny maha olona eto ivelany, dia mihavao isan’andro kosa ny maha olona ao anaty:
Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika, satria hijinja amin’ny fotoanandro isika raha tsy kivy.