Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 28:3 - DIEM PROTESTANTA

Ka alohan’ny roa taona manomboka androany, dia haveriko eto ireo fanaka rehetra tato an-tranoko, fanaka izay nalain’i Nebokadnetsara mpanjaka ka nentiny tany Babilôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

koa ao anatin’ny roa taona no hampodiko ho amin’ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO, izay nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, avy tato amin’ity tanàna ity ka noentiny ho any Babilona;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka alohan’ny roa taona manomboka androany, dia haveriko eto ireo fanaka rehetra tato an-tranoko, fanaka izay nalain’i Nebokadnetsara mpanjaka ka nentiny tany Babilôna.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Roa taona sisa, dia haveriko amin’ity fitoerana ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’i Iaveh, nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, avy amin’ity fitoerana ity, ka nentiny ho any Babilôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka ao anatin’ny roa taona no hampodiako ho amin’ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’i Jehovah izay nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, avy tamin’ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka ao anatin'ny roa taona no hampodiako ho amin'ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah izay nalain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, avy tamin'ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

koa ao anatin’ny roa taona no hampodiko ho amin’ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO, izay nalain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, avy tato amin’ity tanàna ity ka noentiny ho any Babilona;

Jereo ny toko



Jeremia 28:3
8 Rohy Ifampitohizana  

Niaina fito ambin’ny folo taona tany Ejipta i Jakôba, ka ny androm-piainany dia nahatratra fito amby efapolo amby zato taona.


Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa telopolo amby zato taona izao no nivezivezeko toy ny mpivahiny. Fohy sady sarotra ny androm-piainako ka tsy nahatratra akory ny andron’ireo razako tamin’ny fotoana nivahiniany.


Fa araka ny efa nambaran’ny TOMPO dia nentin’i Nebokadnetsara ny zava-tsarobidy rehetra tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ary novakiny avokoa ny fanaka rehetra volamena izay nataon’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tempolin’ny TOMPO.


Nony tonga ny lohataona, dia nandefa iraka i Nebokadnetsara ka nitondra an’i Jôiakîna mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ho any Babilôna; dia i Tsedekià rahalahin-drain’i Jôiakîna no nampanjakain’i Nebokadnetsara tamin’i Joda sy i Jerosalema.


Ny fanaka sasany tao an-tranon’ny TOMPO dia nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilôna koa ka nataony tao amin’ny lapany tany Babilôna.


Tsy maharitra afa-tsy fitopolo taona izany, na valopolo taona ho an’izay matanjaka; kanefa hasasarana sy zava-poana no vokany. Mandalo vetivety tokoa izany fiainana ary manidina ho any amin’ny varo-tsy mifody izahay.


Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an-tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.