Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 18:4 - DIEM PROTESTANTA

Ary raha simba ny vilany ataony fa mety hitranga amin’ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ihany izany, dia anaovany vilany hafa indray iny araka izay tiany hanaovana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary raha simba ny vilany amboariny, araka izay miseho matetika amin’ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’izy mpanefy tanimanga hanaovana azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary raha simba ny vilany ataony fa mety hitranga amin’ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ihany izany, dia anaovany vilany hafa indray iny araka izay tiany hanaovana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha simba ny vilany ataony–araka izay mazàna miseho amin’ny tanimanga eny an-tànan’ny mpanefy–dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’izy mpanefy tanimanga hanaovana azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin'ny tanimanga eny an-tànan'ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian'ny mpanefy tanimanga hanaovana azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary raha simba ny vilany amboariny, araka izay miseho matetika amin’ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’izy mpanefy tanimanga hanaovana azy.

Jereo ny toko



Jeremia 18:4
5 Rohy Ifampitohizana  

Lozan’izay sahy manome tsiny ny mpanao azy, kanefa ny tenany dia siny tanimanga toy ny siny tanimanga rehetra ihany! Ny tanimanga ve hanontany ny mpanefy azy hoe: «Inona ity ataonao?» na ny asa vitany hanao aminy hoe: «Tsy mahay ianao!»


Dia nidina tao an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho, ka indro izy nanao ny asany teo ambony kodia fanodinana.


Dia nanafatra ahy ny TOMPO hoe:


«Moa tsy afaka manao aminareo toy izay ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry olon’i Israely, hoy ny fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO? Indro eo an-tanako ianareo, tahaka ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy.