Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka hisy fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hampiavaka ny andro sy ny alina sady ho marika hamantarana ny fety mbamin’ny andro sy ny taona!
Jeremia 10:2 - DIEM PROTESTANTA Izao no lazain’ny TOMPO: «Aza ianaranareo ny fomban’ny firenen-kafa; ary aza atahoranareo ny famantarana izay miseho eny an-danitra, fa ny firenen-kafa no matahotra ireny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mianatra ny fanaon’ny Jentilisa; aza matahotra ireo famantarana eny amin’ny lanitra; fa ny Jentilisa no matahotra izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no lazain’ny TOMPO: «Aza ianaranareo ny fomban’ny firenen-kafa; ary aza atahoranareo ny famantarana izay miseho eny an-danitra, fa ny firenen-kafa no matahotra ireny. Baiboly Katolika «Aza mianatra ny lalan’ny firenena, ary aza mety matahotra izay famantarana eny an-danitra, toy ny atahoran’ny firenena azy. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon’ ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin’ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany. Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon'ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin'ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany. La Bible en Malgache Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mianatra ny fanaon’ny Jentilisa*; aza matahotra ireo famantarana eny amin’ny lanitra; fa ny Jentilisa no matahotra izany. |
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka hisy fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hampiavaka ny andro sy ny alina sady ho marika hamantarana ny fety mbamin’ny andro sy ny taona!
Mihevitra angaha ianareo fa ho afaka hanompo ireo vato aman-kazo tahaka ny hafa firenena, dia ireo vahoakan’ny tany hafa? Tsia, tsy ho tanteraka mihitsy izany.
Aza manao araka ny fanaon’i Ejipta izay tany nonenanareo; aza manao araka ny fanaon’i Kanahàna izay tany efa hampidirako anareo; ary aza manaraka ny lalànan’ireny firenena ireny ianareo.
Aza manaraka ny fanaon’ny firenena izay horoahiko eo anoloanareo; fa noho izy manao ireny ratsy rehetra ireny no nahatonga azy ho halako
Rahatrizay ianareo tafiditra eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia aza mianatra maka tahaka ny fomba mahatsiravina fanaon’ireo firenena monina ao ireo.
Ary nambarako taminareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Ka tsy tokony hatahoranareo ny andriamanitry ny Amôrita eo amin’ny tany izay onenanareo nefa tsy nihaino Ahy ianareo.»