Ary hoy indray i Mikaià: –Henoy àry ny tenin’ny TOMPO: Hitako nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny marobe any an-danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.
Jeremia 10:1 - DIEM PROTESTANTA Mihainoa ny hafatra izay nambaran’ny TOMPO momba anareo, ry olon’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Henoy ny teny izay lazain’NY TOMPO aminareo, ry taranak’Israely! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mihainoa ny hafatra izay nambaran’ny TOMPO momba anareo, ry olon’i Israely. Baiboly Katolika Henoy ny teny lazain’i Iaveh aminareo, ry taranak’i Israely: Izao no lazain’i Iaveh: Baiboly Protestanta Malagasy HENOY ny teny izay lazain’i Jehovah aminareo, ry taranak’Isiraely! Malagasy Bible Henoy ny teny izay lazain'i Jehovah aminareo, ry taranak'Isiraely! La Bible en Malgache Henoy ny teny izay lazain’NY TOMPO aminareo, ry taranak’Israely! |
Ary hoy indray i Mikaià: –Henoy àry ny tenin’ny TOMPO: Hitako nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny marobe any an-danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.
–Ry Israely vahoakako, mandrenesa, fa hiteny aminareo sy hampitandrina anareo Aho, dia Izaho Andriamanitra Andriamanitrareo.
Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ry mpitondra lomorina tahaka an’i Sôdôma; mandrenesa ny lalànan’ilay Andriamanitsika, ry vahoaka ratsy toetra tahaka an’i Gômôra:
Noho izany, mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo mpaniratsira izay mpitondra ity firenena eto Jerosalema ity
Izao no lazain’ny TOMPO dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao sady Mpanjakan’i Israely sy Mpanavotra azy: «Izaho no voalohany ary Izaho no farany, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Izao no lazain’ny TOMPO: «Aza ianaranareo ny fomban’ny firenen-kafa; ary aza atahoranareo ny famantarana izay miseho eny an-danitra, fa ny firenen-kafa no matahotra ireny.
ary lazao hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianao, ry mpanjakan’i Joda izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia ianao sy ny manamboninahitrao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ireto vavahadin’ny lapa ireto.»
Ny amin’izay kosa dia mihainoa ny tenin’ny TOMPO ankehitriny ianareo izay sisa tavela amin’ny fanjakan’i Joda, fa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Raha mikiry hankany Ejipta ianareo ka mandeha hialokaloka any,
Manana ady amin’ny mponin’ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao: «Tsy misy toetra mahatoky eto amin’ity tany ity, tsy misy fitiava-namana, na fahalalàna an’Andriamanitra.
Koa ankehitriny, henoy ny tenin’ny TOMPO. Ianao manao amiko hoe: «Aza maminany ny hamelezana an’i Israely ary aza manambara ny hamelezana ny taranak’i Itsehàka»;
Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an’Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra notorînay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin’Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino.