Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 1:11 - DIEM PROTESTANTA

Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanontany hoe: –Inona no hitanao, ry Jeremià? Dia novaliako hoe: –Rantsam-paiso na hazo mahatsiaro no hitako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Dia novaliko hoe: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanontany hoe: –Inona no hitanao, ry Jeremià? Dia novaliako hoe: –Rantsam-paiso na hazo mahatsiaro no hitako.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia izao no tenin’i Iaveh natao tamiko: «Inona no hitanao, ry Jeremia?» Ary hoy aho: «Mahita rantsan’ny amandie aho.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Dia novaliko hoe: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.

Jereo ny toko



Jeremia 1:11
11 Rohy Ifampitohizana  

Koa nalainy ny tsora-kazo maromaro tamin’ny hazo beravina sy ny hazo amandy ary ny hazo platàna ka nataony vaofy vandana hisehoan’ny fotsy teo amin’ny tsora-kazo.


dia ho tahaka izany koa ny teny aloaky ny vavako: tsy hiveri-maina foana atỳ amiko izy, raha tsy efa nahatanteraka izay sitrako sy nahatratra ny tanjona nanirahako azy.


Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe: –Inona no hitanao, ry Jeremià? Namaly aho hoe: –Aviavy: ka ny sasany tsara dia tsara, fa ny sasany kosa ratsy loatra ka tsy azo hanina.


Izaho TOMPO no hiteny; ary ny teny izay lazaiko dia hihatra tsy an-kiandry intsony. Eny, amin’izao andronareo izao, ry Israelita maditra, no hanatanterahako izay zavatra lazaiko. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Koa lazao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Ny teniko rehetra dia hihatra tsy an-kiandry intsony; ny teny izay lazaiko dia ho tanteraka. Teny henitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


«Indro ny andro fitsarana, ary mby akaiky sady miseho lany ny faharavana. Mitombo ny hetraketraka ary mahazo vahana ny avonavona.


Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe: –Inona no hitanao, ry Hamôsa? Ka novaliako hoe: –Fira-potsy. Dia hoy indray ny Tompo hoe: –Indro Aho hampiasa fira-potsy hamelezako eo afovoan’i Israely vahoakako, satria tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.


Dia nanontany ahy Izy hoe: –Inona no hitanao, ry Hamôsa? Ka novaliako hoe: –Voankazo masaka iray harona! Dia hoy ny TOMPO tamiko: –Tonga ny farany ho an’ny Israely vahoakako, tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.


sady nanontany ahy hoe: –Inona no hitanao? Dia hoy aho namaly: –Fitoeran-jiro volamena misy fitahirizan-diloilo eo an-tampony no hitako. Fanaovan-jiro fito no eo amin’izany fitoeran-jiro izany; ary lahin-jiro fito kosa no eo amin’ny fanaovan-jiro tsirairay avy.


Ary nanontanian’ilay anjely aho hoe: –Inona no hitanao? Dia hoy aho namaly: –Mahita horonam-boky manidina aho: folo metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany.


Dia nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana i Mosesy sy i Aharôna.