Ny mpivavaka marina rehetra dia tokony hitalaho aminao toy izany amin’ny fotoana ilàny vonjy aminao; ka na toa ranobe hitelina aza ny loza, dia tsy hahatratra azy akory izany.
Hosea 5:10 - DIEM PROTESTANTA Fa tahaka ny mpamindra sisin-tany ireo mpifehy an’i Joda; ka hataoko mandriaka aminy ny fahatezerako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny mpanapaka an’i Joda dia efa tonga toy izay mamindra ny fetran’ny faritany, koa ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny riaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa tahaka ny mpamindra sisin-tany ireo mpifehy an’i Joda; ka hataoko mandriaka aminy ny fahatezerako. Baiboly Katolika Ireo mpifehy an’i Jodà efa toy ny mpamindra faritra; hampidiniko amin’izy ireo ny fahatezerako toy ny rano. Baiboly Protestanta Malagasy Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, Ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano. Malagasy Bible Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano. La Bible en Malgache Ny mpanapaka an’i Joda dia efa tonga toy izay mamindra ny fetran’ny faritany, koa ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny riaka. |
Ny mpivavaka marina rehetra dia tokony hitalaho aminao toy izany amin’ny fotoana ilàny vonjy aminao; ka na toa ranobe hitelina aza ny loza, dia tsy hahatratra azy akory izany.
Ny fiandoham-pifandirana dia toy ny mamaky tohandrano; koa ajanòny izany dieny tsy mbola mihombo ny ady.
Mpikomy ireo mpanapaka anao, sady mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra. Samy tia tsolotra izy rehetra, ary mpandray kolikoly avokoa. Ny kamboty tsy entiny ara-drariny ary ny adin’ny mpitondratena tsy tsarainy.
Ho tahaka ny volafotsy miempo ao anaty lafaoro no handrendrehana anareo ao Jerosalema. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no mampitosaka ny fahavinirako aminareo.»
Izao ankehitriny izao no hanosahako ny fahatezerako aminareo ka hanamparako ny fahavinirako. Hotsaraiko araka ny fitondrantenanareo ianareo ary hovaliako aminareo ny asa maharikoriko rehetra nataonareo.
latsaka ny ranonorana, nitosaka ny riaka, nifofofofo ny rivotra ka samy namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny faharavàny.
Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manatanteraka, dia tahaka ny olona manorin-trano amin’izao tsy misy fototra; raha vao notonafan’ny riaka ilay trano, dia nirodana avy hatrany ka rava tanteraka.
Ao amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia aza mamindra ny orim-bato mamaritra ny tanin’ny namanareo, orim-bato izay efa vitan’ny razana tamin’ny zaratany azonareo.
«Ho voaozona anie izay mamindra ny orimbato faritry ny tanin’ny namany!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»