Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 8:5 - DIEM PROTESTANTA

Dia mbola nihena hatrany ihany ny rano hatramin’ny volana fahafolo. Ka tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo, dia tazana ny tampon’ireo tendrombohitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin’ny volana fahafolo; koa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo dia niseho ny tampon’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia mbola nihena hatrany ihany ny rano hatramin’ny volana fahafolo. Ka tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo, dia tazana ny tampon’ireo tendrombohitra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nihena niandalandalana ny rano, hatramin’ny volana fahafolo, ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo dia niseho ny tampon-tendrombohitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin’ny volana fahafolo; tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo dia niseho ny tampon’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin'ny volana fahafolo; tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo dia niseho ny tampon'ny tendrombohitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin’ny volana fahafolo; koa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo dia niseho ny tampon’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko



Genesisy 8:5
4 Rohy Ifampitohizana  

Iny faha-600 taona niainan’i Noà iny, tamin’ny volana faharoa, andro faha-17, dia niboiboika be ny rano avy any ambanin’ny tany tamin’ireo loharano rehetra, ary nivoha nidanadana ny varavaran’ny lanitra.


Niala tsikelikely ny rano teny ambonin’ny tany, ary nihena nony afaka 150 andro.


Ary tamin’ny volana fahafito, andro faha-17, dia niantsona teo an-tendrombohitr’i Ararata ny sambofiara.


Nony afaka efapolo andro, dia novohan’i Noà ny varavarankelin’ny sambofiara izay nataony.