Genesisy 8:10 - DIEM PROTESTANTA Mbola niandry herinandro izy vao nandefa ilay voromahailala fanindroany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mbola niandry hafitoana koa izy dia navoakany tao amin’ny sambofiara indray ilay voromailala. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola niandry herinandro izy vao nandefa ilay voromahailala fanindroany. Baiboly Katolika Mbola niandry hafitoana indray izy, vao nandefa fanindroany ny voromahailala ho any ivelan’ny sambo fiara. Baiboly Protestanta Malagasy Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin’ny sambo-fiara indray izy. Malagasy Bible Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin'ny sambo-fiara indray izy. La Bible en Malgache Mbola niandry hafitoana koa izy dia navoakany tao amin’ny sambofiara indray ilay voromailala. |
Fa herinandro sisa dia hampilatsaka ranonorana mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina amin’ny tany Aho, ka hofoanako eo amin’ny velaran’ny tany ireo zava-mananaina rehetra nataoko.
Fa niverina tany amin’i Noà ilay voromahailala, nony hariva, ka hita nitondra ravin’ôliva maitso teny am-bavany. Dia fantatr’i Noà tamin’izany fa efa nihena ny rano tambonin’ny tany.
Dia mbola niandry herinandro indray izy vao nandefa ilay voromahailala izay tsy niverina intsony kosa.
Kanefa tsy nahita izay hametrahany ny tongony ilay voromahailala, ka niverina tany amin’i Noà teny an-tsambofiara, satria mbola feno rano tambonin’ny tany tontolo. Dia naninjitra ny tanany i Noà ka nandray ilay voromahailala ary nampiditra azy tao anaty sambofiara.
Eny, lalana atoron’ny didim-pitsaranao no anantenanay Anao, TOMPO ô. Ny hanonona ny anaranao sy hahatsiaro Anao no hetahetam-ponay.
Hiandry ny TOMPO aho satria manafin-tava amin’ny taranak’i Jakôba Izy izao, kanefa manantena Azy aho.