Nataon’Andriamanitra avokoa ny bibidia isan-karazany, ny biby fiompy isan-karazany, ary ny biby madinika isan-karazany mandady amin’ny tany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Genesisy 7:22 - DIEM PROTESTANTA Maty avokoa izay rehetra nanam-pofonaina tamin’ny vavorona teny an-tanety. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay rehetra manam-pofonaina eo am-bavorony, izay rehetra teo amin’ny tany maina, dia maty avokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Maty avokoa izay rehetra nanam-pofonaina tamin’ny vavorona teny an-tanety. Baiboly Katolika Maty daholo rehefa mety ho zavatra mitoetra amin’ny tany maina, rehefa mety ho zava-manam-pofon’aina teo am-bavorony. Baiboly Protestanta Malagasy Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin’izay rehetra teo amin’ny tany maina, dia maty avokoa. Malagasy Bible Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina, dia maty avokoa. La Bible en Malgache Izay rehetra manam-pofonaina eo am-bavorony, izay rehetra teo amin’ny tany maina, dia maty avokoa. |
Nataon’Andriamanitra avokoa ny bibidia isan-karazany, ny biby fiompy isan-karazany, ary ny biby madinika isan-karazany mandady amin’ny tany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Ary vovoka avy amin’ny tany no nalain’ny TOMPO Andriamanitra, ka nanamboarany olombelona anankiray. Nitsofany fofonaina mahavelona tao am-bavorony, dia tonga manana aina raolombelona.
Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tany.