toy izany koa ny amin’ny voro-manidina, makà mpivady fito isaky ny karazany avy: dia mba samy hamelona taranaka eo amin’ny velaran’ny tany tontolo ireny.
Genesisy 7:2 - DIEM PROTESTANTA Makà biby madio mpivady fito isaky ny karazany avy, ary biby maloto mpivady iray ihany kosa isaky ny karazany avy, ka ento miaraka aminao; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Analao ho ao aminao ny biby madio rehetra isaky ny karazany, fito avy, lahy sy vavy; ny biby tsy madio isaky ny karazany, roa avy, lahy sy vavy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Makà biby madio mpivady fito isaky ny karazany avy, ary biby maloto mpivady iray ihany kosa isaky ny karazany avy, ka ento miaraka aminao; Baiboly Katolika Ny biby madio rehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy, no halainao ho ao aminao; ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao; Baiboly Protestanta Malagasy Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy; Malagasy Bible Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy; La Bible en Malgache Analao ho ao aminao ny biby madio rehetra isaky ny karazany, fito avy, lahy sy vavy; ny biby tsy madio isaky ny karazany, roa avy, lahy sy vavy; |
toy izany koa ny amin’ny voro-manidina, makà mpivady fito isaky ny karazany avy: dia mba samy hamelona taranaka eo amin’ny velaran’ny tany tontolo ireny.
Ny biby madio sy ny biby maloto ary ny voro-manidina sy ireo bibikely mihetsiketsika ambonin’ny tany koa
Dia nanangana alitara ho an’ny TOMPO i Noà, ka naka tamin’ireo biby fiompy sy voro-manidina madio rehetra ary nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho an’ny Tompo teo amin’ny alitara.
«Ny mpisorona no hampianatra ny vahoakako hanavaka ny masina sy ny tsy masina ary ny madio sy ny maloto.
Aza misotro zava-pisotro mahamamo ianareo, rehefa hanavaka ny zavatra masina sy tsy masina ary ny zavatra madio sy tsy madio,