Ary nihanahery ny rano sady nitombo be dia be, ka dia nandeha teny ambony rano ny sambofiara.
Genesisy 7:19 - DIEM PROTESTANTA Ary nitombo be izaitsizy ny rano tetỳ ambonin’ny tany ka naharakotra hatramin’ireo tendrombohitra avo indrindra taty ambanin’ny lanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nitombo izay tsy izy ny rano tetỳ ambonin’ny tany ka voasarony ny tendrombohitra avo rehetra izay tetỳ ambanin’ny lanitra manontolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nitombo be izaitsizy ny rano tetỳ ambonin’ny tany ka naharakotra hatramin’ireo tendrombohitra avo indrindra taty ambanin’ny lanitra. Baiboly Katolika Nony efa nisondrotra teo ihany ny rano dia voasarony avokoa ny tendrombohitra avo rehetra, tambanin’ny lanitra manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin’ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ny lanitra rehetra. Malagasy Bible Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin'ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin'ny lanitra rehetra. La Bible en Malgache Nitombo izay tsy izy ny rano tetỳ ambonin’ny tany ka voasarony ny tendrombohitra avo rehetra izay tetỳ ambanin’ny lanitra manontolo. |
Ary nihanahery ny rano sady nitombo be dia be, ka dia nandeha teny ambony rano ny sambofiara.
Raha mitana ny orana Izy, dia tonga ny hain-tany; fa raha mandefa ny rano kosa Izy, dia tondraka ny tany.
Eny tokoa, fa nanodoka anay ny fanompoan-tsampy teny an-kavoana sy ny horakoraka teny an-tendrombohitra, kanefa aminao TOMPO Andriamanitray ihany no hahitan’Israely famonjena.