Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 6:15 - DIEM PROTESTANTA

Izao no hanaovanao azy: 150 metatra ny halavany, 25 metatra ny sakany ary 15 metatra ny haavony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Toy izao no hanaovanao azy: Telonjato hakiho ny lavan’ny sambofiara, dimampolo hakiho ny sakany ary telopolo hakiho ny haavony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao no hanaovanao azy: 150 metatra ny halavany, 25 metatra ny sakany ary 15 metatra ny haavony.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Toy izao no hanaovanao azy: Telon-jato hakiho no ho lavan’ny sambo fiara; dimampolo hakiho no sakany ary telopolo no haavony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan’ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Toy izao no hanaovanao azy: Telonjato hakiho* ny lavan’ny sambofiara, dimampolo hakiho ny sakany ary telopolo hakiho ny haavony.

Jereo ny toko



Genesisy 6:15
4 Rohy Ifampitohizana  

Noho izany, manaova fiara ho anao, mitovy amin’ny sambo lehibe vita amin’ny hazo kipreso, dia asio efitrefitra ka hosory dity ao anatiny sy eo ivelany.


Tafoy izy, ka asio elanelany antsasa-metatra eo amin’ny tafo sy ny rindrin-kazo; voleo varavarana amin’ny lafiny iray, ary asio rihana telo ny sambofiara.


Tafakatra fito metatra sy sasany ambonin’ny tendrombohitra ny haavon’ny rano.


I Hôga mpanjakan’i Basàna manko no hany sisa tavela tamin’ny Refaîta. Mbola hita ao Rabà, renivohitry ny Amôrita, ny vatam-paty misy azy, dia vatam-paty natao tamin’ny vato vy voapaika ka efatra metatra sy sasany ny halàvany ary roa metatra ny sakany araka ny refy mahazatra.