Ary i Adama sy ny vadiny dia mbola nanan-janaka iray hafa koa, ka ny anarany dia nataon’i Eva hoe Seta, satria hoy izy hoe: –Nomen’Andriamanitra zanakalahy hafa indray aho ity ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina ho faty.
Genesisy 5:6 - DIEM PROTESTANTA Rehefa feno 105 taona i Seta, dia niteraka an’i Enôsa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dimy amby zato taona i Seta raha niteraka an’i Enosy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa feno 105 taona i Seta, dia niteraka an’i Enôsa. Baiboly Katolika Dimy amby zato taona ny andro niainan’i Seta vao niteraka an’i Enôsy izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan’i Seta, dia niteraka an’i Enosy izy. Malagasy Bible Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy. La Bible en Malgache Dimy amby zato taona i Seta raha niteraka an’i Enosy. |
Ary i Adama sy ny vadiny dia mbola nanan-janaka iray hafa koa, ka ny anarany dia nataon’i Eva hoe Seta, satria hoy izy hoe: –Nomen’Andriamanitra zanakalahy hafa indray aho ity ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina ho faty.
Ary i Seta kosa niteraka lahy nantsoiny hoe Enôsa. Hatreo vao nivavaka tamin’Andriamanitra ny olona ka niantso Azy hoe TOMPO.
Taorian’ny nahaterahan’i Enôsa, dia mbola velona nandritra ny 807 taona i Seta, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.
zafin-kitrokelin’i Enôsa, zafim-paladian’i Sèta ary zafin-dorian’i Adama, dia i Adama zanak’Andriamanitra.