Taorian’izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin’i Jôsefa fa marary ny rainy. Dia nentin’i Jôsefa niaraka taminy ny zanany roa lahy, dia i Manase sy i Efraîma.
Genesisy 48:2 - DIEM PROTESTANTA Rehefa nampandrenesina i Jakôba fa tonga hamangy azy i Jôsefa zanany, dia niezaka hipetraka teo am-pandriana izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisy nilaza tamin’i Jakoba hoe: Indro, tamy ho etỳ aminao i Josefa zanakao. Dia nanatanja-tena Israely ka niarina teo ambonin’ny farafara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa nampandrenesina i Jakôba fa tonga hamangy azy i Jôsefa zanany, dia niezaka hipetraka teo am-pandriana izy. Baiboly Katolika Dia nilazana i Jakôba natao hoe: «Indro tamy i Josefa zanakao, ho aty aminao.» Ka naka hery i Israely niarina teo ambony farafarany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy nilaza tamin’i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin’ny farafara. Malagasy Bible Ary nisy nilaza tamin'i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin'ny farafara. La Bible en Malgache Ary nisy nilaza tamin’i Jakoba hoe: Indro, tamy ho etỳ aminao i Josefa zanakao. Dia nanatanja-tena Israely ka niarina teo ambonin’ny farafara. |
Taorian’izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin’i Jôsefa fa marary ny rainy. Dia nentin’i Jôsefa niaraka taminy ny zanany roa lahy, dia i Manase sy i Efraîma.
Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Niseho tamiko tao Lozy tany amin’ny tany Kanahàna ilay Andriamanitra Tsitoha ka nitsodrano ahy
Dia nambarako azy ny fiarovana nanambinan’Andriamanitra ahy ary koa ny teny nolazain’ny amperôra tamiko; ka hoy ireo hoe: –Ndao àry isika hanorina ny tanàna! Dia nivonon-kanao izany asa soa izany tamin-kerimpo ry zareo.
Ny TOMPO no miaro azy tsy ho faty ka mahatonga azy ho sambatra eto an-tany sady tsy mahafoy azy ho voatanam-pahavalo.
Farany, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo dia matanjaha ombàn’ny heriny tsy hay tohaina.
Fa i Josoa no omeo baiko, dia ampaherezo sy hatanjaho, satria izy no hiampita eo alohan’ity vahoaka ity sady hampahazo azy ny tany izay ho hitanao.»
Ary i Jônatàna zanakalahin’i Saoly nankany amin’i Davida any Hôresa ka nankahery azy tamin’ny anaran’Andriamanitra.