Nangonin’i Jôsefa ny tahirim-bokatra rehetra tany Ejipta nandritra izany fito taona izany ka natobiny tao amin’ny renivohitry ny boriborin-tany ireo tahirim-bokatra rehetra tamin’ny saha manodidina.
Genesisy 47:21 - DIEM PROTESTANTA ary ny vahoaka kosa noteren’i Jôsefa hanao fanompoana nanomboka amin’ny sisin-tany an-kilany ka hatrany amin’ny sisin-tany an-daniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nafindrany ho any amin’ny tanàna rehetra hatrany amin’ny sisintanin’i Ejipta manontolo ny olona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary ny vahoaka kosa noteren’i Jôsefa hanao fanompoana nanomboka amin’ny sisin-tany an-kilany ka hatrany amin’ny sisin-tany an-daniny. Baiboly Katolika Dia nafindrany ny vahoaka ho any amin’ny tanàna eran’ny tany Ejipta rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin’ny tanàna hatramin’ny faran’ny faritr’i Egypta rehetra. Malagasy Bible Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin'ny tanàna hatramin'ny faran'ny faritr'i Egypta rehetra. La Bible en Malgache Nafindrany ho any amin’ny tanàna rehetra hatrany amin’ny sisintanin’i Ejipta manontolo ny olona. |
Nangonin’i Jôsefa ny tahirim-bokatra rehetra tany Ejipta nandritra izany fito taona izany ka natobiny tao amin’ny renivohitry ny boriborin-tany ireo tahirim-bokatra rehetra tamin’ny saha manodidina.
Dia novidîn’i Jôsefa ho an’ny Farao ny tany rehetra tao Ejipta, satria nihamafy ny mosary ka samy nivarotra ny sahany avy ny Ejiptianina. Noho izany dia lasa fananan’ny Farao avokoa ny tany manontolo;
Ny tany tsy mba novidin’i Jôsefa dia ny tanin’ireo mpisorona, satria nisy didy navoakan’ny Farao hitsimbinana azy. Anjara sakafo nomen’ny Farao azy no fihinany; izany no tsy nivarotan’ireo mpisorona ny taniny.