Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 47:16 - DIEM PROTESTANTA

Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Raha tsy manam-bola ianareo, dia omeo ahy ny andiam-biby fiompinareo, fa hatakaloko sakafo ho anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy kosa i Josefa: Omeo ary ny omby aman’ondrinareo ho takalon’ny hanina raha lany ny vola.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Raha tsy manam-bola ianareo, dia omeo ahy ny andiam-biby fiompinareo, fa hatakaloko sakafo ho anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy i Josefa: «Rehefa lany ny volanareo, ny biby fiompinareo entina; hotakalozako hanina ny biby fiompinareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy kosa Josefa: Omeo ny omby aman-ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy kosa Josefa : Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy kosa i Josefa: Omeo ary ny omby aman’ondrinareo ho takalon’ny hanina raha lany ny vola.

Jereo ny toko



Genesisy 47:16
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary rehefa tsy nisy vola intsony na tany Ejipta na tany Kanahàna, dia tonga tany amin’i Jôsefa ny Ejiptianina rehetra ka nanao hoe: –Omeo hanina izahay. Satria tsy manam-bola ve izahay, dia ho faty eto anatrehanao?


Dia nentin’ny olona tany amin’i Jôsefa ny andiam-biby fiompiny; ka notakalozan’i Jôsefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman’osiny ary ny ombiny sy ny borikiny. Koa tamin’iny taona iny dia nanome sakafo azy i Jôsefa ho takalon’ny biby fiompy rehetra.


Izay milaza ny marina no manambara ny rariny; fa fitaka kosa no ambaran’ny vavolombelona mandainga.


Aza manao izay hahasolafaka olona amin’ny ratsy, na Jiosy izy na hafa firenena na ny Fiangonan’Andriamanitra.


Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.


Manàna fitondrantena feno fahendrena eo anoloan’izay tsy kristianina, ka hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa.