Tsy nampoizin’ireo hoe fantatr’i Jôsefa ny teniny, satria mpandika teny no niresahany taminy.
Genesisy 45:12 - DIEM PROTESTANTA Ary indro hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamîna rahalahiko izao fa ny vavako mihitsy no manambara aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary indro, hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamina rahalahiko izao fa izaho mihitsy no miteny aminareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary indro hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamîna rahalahiko izao fa ny vavako mihitsy no manambara aminareo. Baiboly Katolika Indro mahita maso ianareo izao, mahita maso koa i Benjamina rahalahiko, fa ny vavako no miteny aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary, indro, hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo. Malagasy Bible Ary, indro, hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo. La Bible en Malgache Ary indro, hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamina rahalahiko izao fa izaho mihitsy no miteny aminareo. |
Tsy nampoizin’ireo hoe fantatr’i Jôsefa ny teniny, satria mpandika teny no niresahany taminy.
Izaho no hamatsy sakafo anao atỳ, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary fandrao ringana ianao sy ny ankohonanao ary ireo biby fiompinao.»
Koa mandehana tantarao avokoa amin’i dada ny voninahitro eto Ejipta mbamin’ny zavatra rehetra efa hitanareo, ary ento faingana midina atỳ i dada.
Jereo ny tanako sy ny tongotro fa Izaho mihitsy ity. Kasiho Aho ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo aman-taolana, tahaka ny ahitanareo Ahy izao.
Avy eo dia hoy Izy tamin’i Tômà: –Arosoy eto ny rantsan-tananao ka jereo ny tanako roa; arosoy koa ny tananao ka atsofoy eto amin’ny foko; ary aza malain-kino, fa minoa!