Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 44:5 - DIEM PROTESTANTA

Nahoana no nangalarinareo ny tsangambava izay fisotroan’ny tompoko sy fanaovany sikidy? Ratsy izao nataonareo izao!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy iny va ilay kapoaka fisotroan’ny tompoko sy famantarany zavatra? Ratsy izao nataonareo izao!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahoana no nangalarinareo ny tsangambava izay fisotroan’ny tompoko sy fanaovany sikidy? Ratsy izao nataonareo izao!»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tsy iny kôpy iny va no fisotroan’ny tompoko, ka entiny maminany? Ratsy izany nataonareo izany.› »

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tsy iny va no fisotroan’ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tsy iny va no fisotroan'ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy iny va ilay kapoaka fisotroan’ny tompoko sy famantarany zavatra? Ratsy izao nataonareo izao!

Jereo ny toko



Genesisy 44:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Namaly azy i Labàna hoe: –Miangavy aho raha mba mahita famindrampo aminao ihany. Fantatro fa noho ny aminao no nitahian’ny TOMPO ahy.


Ary hoy i Jôsefa taminy: –Ahoana no nanaovanareo izao zavatra izao? Tsy fantatrareo angaha fa ny lehilahy toa ahy izao dia mahay mamanta-javatra?


Dia nahatratra ireo rahalahin’i Jôsefa ralehilahy ka namerina taminy ireo teny ireo.


Fambara tsara ho azy ireo izany ka dia nohararaotiny haingana nanaovana hoe: –Rahalahinao hoe i Bena-Hadada! Dia hoy indray i Ahaba: –Mandehana ka alao izy. Dia nankany aminy i Bena-Hadada ka nampitaingeniny tamin’ny kalesiny.


Ary na ny zanany lahy aza dia natolony ho sorony dorana; ankoatra izany dia mbola nanandro sady nisikidy ary naka hevitra tamin’ny olona tsindrian-javatra sy mpanao fitokavana koa izy. Nahery nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, ka nampahatezitra Azy.


«Aza eo amin’ny tany andrarahana ny ram-biby no ihinananareo ny henany; aza manao sikidy na fanandroana.