Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 39:1 - DIEM PROTESTANTA

Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Jismahelita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Josefa dia noentina nidina ho any Ejipta ka i Potifara, lehilahy ejiptiana, tandapan’i Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ireo Ismaelita izay nitondra azy nidina tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Jismahelita.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nentina tany Ejipta i Josefa, ary i Potifara, Ejiptianina, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Ismaelita, izay nitondra azy tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan’i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Josefa dia noentina nidina ho any Ejipta ka i Potifara, lehilahy ejiptiana, tandapan’i Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ireo Ismaelita izay nitondra azy nidina tany.

Jereo ny toko



Genesisy 39:1
7 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia nipetraka nihinana ireo, ary nitazana ka nahatsinjo andiana Jismahelita nandalo avy any Gilehada, nitanjozotra nidina ho any Ejipta. Ireo ramevany dia mitondra ditin-kazo manitra toy ny nekôta sy balsama ary làdana.


Raha nandalo ireo lehilahy midianita mpivarotra, dia nakariny avy tao an-davaka i Jôsefa ary namidiny sekela volafotsy roapolo tamin’ny Ismaelita izay nitondra azy nankany Ejipta.


Ireo Midianita kosa nivarotra an’i Jôsefa tany Ejipta tamin’i Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina azy.


ka nampanao azy an-tranomaizina; ny fonenan’ilay lehiben’ny mpiambina no nisy io tranomaizina io, dia ny fonja izay nigadran’i Jôsefa.


Ka hoy indray i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Avia manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy koa i Jôsefa hoe: –Izaho no Jôsefa rahalahinareo izay namidinareo mba hoentina aty Ejipta.


Nefa naniraka olona hialoha an’ireo Izy, dia i Jôsefa izay namidy handevozina.


Nialona an’i Jôsefa ireo razambe rahalahiny ka nivarotra azy ary nahatonga azy ho andevo tany Ejipta. Kanefa nombàn’Andriamanitra i Jôsefa,