Ary ny bibilava no fetsy indrindra, tamin’ny bibidia rehetra nataon’ny TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: –Marina ve fa noraran’Andriamanitra tsy hihinana ny voan’ny hazo rehetra ao an-jaridaina ianareo?
Genesisy 3:14 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin’ny bibilava: –Satria nanao izany ianao, dia ozoniko. Amin’ny biby fiompy sy ny bibidia rehetra, dia ianao ihany no handeha amin’ny kibonao, sady hihinana vovo-tany amin’ny andro rehetra hiainanao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy NY TOMPO Andriamanitra tamin’ny menarana: Satria nahavita izany ianao dia ianao no voaozona amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibidia rehetra: Ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin’ny bibilava: –Satria nanao izany ianao, dia ozoniko. Amin’ny biby fiompy sy ny bibidia rehetra, dia ianao ihany no handeha amin’ny kibonao, sady hihinana vovo-tany amin’ny andro rehetra hiainanao. Baiboly Katolika Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin’ny bibilava: «Noho ianao nanao izany, dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin’ny menarana: Satria nanao izany hianao, koa amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia hianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin'ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin'ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao. La Bible en Malgache Dia hoy NY TOMPO Andriamanitra tamin’ny menarana: Satria nahavita izany ianao dia ianao no voaozona amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibidia rehetra: Ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao. |
Ary ny bibilava no fetsy indrindra, tamin’ny bibidia rehetra nataon’ny TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: –Marina ve fa noraran’Andriamanitra tsy hihinana ny voan’ny hazo rehetra ao an-jaridaina ianareo?
Izay mandatsaka ran’olona dia halatsak’olona koa ny rany, satria mitovy endrika amin’Andriamanitra no nanaovany ny olona.
Haetry ianao ka hiteny avy ao an-kibon’ny tany ao. Hibitsibitsika ny feonao mamakivaky ny vovoka; mova tsy feon’ny matoatoa miala avy amin’ny tany sy misamoina avy ao amin’ny vovoka ny teninao.
Hiara-miraoka ahitra ny amboadia sy ny zanak’ondry; ny liona hihinam-bilona toy ny omby, ary ny menarana kosa dia vovoka no ho fihinany. Tsy hisy fanaovan-dratsy intsony, hoy AHO, na fanimbàn-javatra intsony, manerana ny tendrombohitro masina!
Koa tandrovy ny fanavahana momba ny biby madio sy maloto ary ny vorona madio sy maloto; aza mandoto tena amin’ny fikasihana biby maloto na vorona maloto na biby madinika mifanaretsaka ambonin’ny tany, satria efa navahako ho maloto aminareo ireny.
Hilela-bovoka toy ny menarana sy ireo biby mikisaka amin’ny tany izy. Amin-kovitra no hialany avy ao amin’ny tranomimanda fiereny, ka hanatonany Anao TOMPO Andriamanitray. Eny, hangorohoro izy ary hanaja Anao.