Dia nampiantso an’i Abrama ny Farao ka nanao taminy hoe: –Inona ity nataonao tamiko? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
Genesisy 26:9 - DIEM PROTESTANTA Nampanantsoin’i Abimelèka i Itsehàka ka nilazany hoe: –Hay tena vadinao tokoa izy, koa nahoana no nolazainao hoe anabavinao? Hoy kosa ny navalin’i Itsehàka azy: –Nilaza izany aho fandrao vonoina ho faty noho ny aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niantso an’Isaka i Abimeleka ka niteny hoe: Hita mihitsy fa vadinao izy, koa nahoana no nolazainao hoe Anabaviko izy? Dia hoy Isaka taminy: Satria hoy aho anakampo hoe: Fandrao ho faty noho ny aminy aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nampanantsoin’i Abimelèka i Itsehàka ka nilazany hoe: –Hay tena vadinao tokoa izy, koa nahoana no nolazainao hoe anabavinao? Hoy kosa ny navalin’i Itsehàka azy: –Nilaza izany aho fandrao vonoina ho faty noho ny aminy. Baiboly Katolika Dia niantso an’i Isaaka izy, ka nanao hoe: «Hita fa vadinao mihitsy izy. Ka ahoana no nilazanao hoe: Anabaviko io.» Ary hoy i Isaaka taminy: «Satria, hoy aho anakampo, sao dia maty aho noho ny aminy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abimeleka dia niantso an’Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihitsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy. Malagasy Bible Ary Abimeleka dia niantso an'Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihitsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy. La Bible en Malgache Dia niantso an’Isaka i Abimeleka ka niteny hoe: Hita mihitsy fa vadinao izy, koa nahoana no nolazainao hoe Anabaviko izy? Dia hoy Isaka taminy: Satria hoy aho anakampo hoe: Fandrao ho faty noho ny aminy aho. |
Dia nampiantso an’i Abrama ny Farao ka nanao taminy hoe: –Inona ity nataonao tamiko? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
Dia hoy indray i Abimelèka hoe: –Inona ity nataonao taminay? Efa nisy lehilahy anankiray tamin’ny vahoaka saika handry tamin’ny vadinao, ka ho nahatonga heloka taminay ianao.
Ary rehefa ela no nitoeran’i Itsehàka tao, dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimelèka indray andro ka nahita an’i Itsehàka nisangisangy an’i Rebekà vadiny.
Fa hoy i Jesoa taminy: –Izay ela izay no niarahako taminareo ka tsy fantatrao ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: «Asehoy anay ny Ray»?
Izay vao nahatsiaro tena i Petera ka nanao hoe: –Fantatro marina izao fa naniraka ny anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy teo an-tanan’i Herôda sy tamin’ny ratsy rehetra notetehin’ny vahoaka jiosy.