Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 24:5 - DIEM PROTESTANTA

Dia namaly azy ilay mpanompo hoe: –Angamba tsy te hiaraka amiko ho atỳ amin’ity tany ity razazavavy, koa moa tsy maintsy haveriko any amin’ny tany izay efa nilaozanao ve ny zanakao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hanaraka ahy hankaty amin’ity tany ity Ravehivavy ka moa va hoentiko miverina any amin’ny tany izay nialanao ny zanakao?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia namaly azy ilay mpanompo hoe: –Angamba tsy te hiaraka amiko ho atỳ amin’ity tany ity razazavavy, koa moa tsy maintsy haveriko any amin’ny tany izay efa nilaozanao ve ny zanakao?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy ny navalin’ilay mpanompony: «Angamba tsy hety hiaraka amiko hankany amin’ity tany ity ny vehivavy; ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin’ny tany niavianao?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin’ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin’ny tany izay nialanao va aho?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin'ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin'ny tany izay nialanao va aho?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hanaraka ahy hankaty amin’ity tany ity Ravehivavy ka moa va hoentiko miverina any amin’ny tany izay nialanao ny zanakao?

Jereo ny toko



Genesisy 24:5
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanontany azy aho hoe: «Ary raha ohatra ka tsy mety hanaraka ahy razazavavy?»


Fa handeha ho any amin’ny tany fiaviako sy amin’ny havako ianao, ka haka vady ho an’i Itsehàka zanako.


Dia nantsoin’ireo i Rebekà ka nanontaniany hoe: –Moa handeha hiaraka amin’io lehilahy io ve ianao? Ary hoy i Rebekà hoe: –Eny, handeha aho.


Dia hoy i Abrahama namaly azy: –Tandremo tsara mba tsy haverinao any ny zanako.


«Aza manonom-poana ny anarako ianao fa Izaho TOMPO Andriamanitrao dia mitana ho meloka izay manao toy izany.


Fa raha mandà tsy handefa azy ianao ka mbola miziriziry ihany,


Ny malina rehetra dia miasa amim-pandinihana; fa ny adala kosa mampiseho hafokana.


Raha araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina no hanaovanao fianianana hoe: «Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...», dia ny firenen-kafa koa hangataka hotahîko sady hanao Ahy ho reharehany.