Nony tonga teo akaikin’ny fantsakana teo ivelan’ny tanàna izy, dia nampandohalika ny rameva, fa fotoana hariva fivoahan’ny vehivavy mantsaka tamin’izay.
Genesisy 24:13 - DIEM PROTESTANTA Inty aho eto akaikin’ny fantsakana; ary ireo zatovovavy zanaky ny mponina ao an-tanàna dia hivoaka hantsaka rano eto. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, mijoro eto anilan’ny fantsakana aho ary ho avy hantsaka rano ny zanakavavin’ny mponina ao an-tanàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Inty aho eto akaikin’ny fantsakana; ary ireo zatovovavy zanaky ny mponina ao an-tanàna dia hivoaka hantsaka rano eto. Baiboly Katolika Indro aho mijanona eto anilan’ny loharano; ary ny zanaka vavin’ny mponina ao an-tanàna hivoaka hantsaka rano, Baiboly Protestanta Malagasy Indro, mijanona eto anilan’ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin’ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano; Malagasy Bible Indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin'ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano; La Bible en Malgache Indro, mijoro eto anilan’ny fantsakana aho ary ho avy hantsaka rano ny zanakavavin’ny mponina ao an-tanàna. |
Nony tonga teo akaikin’ny fantsakana teo ivelan’ny tanàna izy, dia nampandohalika ny rameva, fa fotoana hariva fivoahan’ny vehivavy mantsaka tamin’izay.
Koa izay zatovovavy hangatahako mba hampidina kely ny sininy hisotroako, ka hamaly hoe: «Misotroa ary aoka ny ramevanao hampisotroiko ihany koa!», dia amin’izay no hahafantarako fa izy no voatendrinao ho an’i Itsehàka mpanomponao ary efa naneho fahasoavana tamin’ny tompoko Ianao.
Inty aho mby eto anilan’ny fantsakana, hisy zazavavy hivoaka hantsaka ka hiangaviako mba hampisotro ahy rano kely avy amin’ny sininy.
Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona Jetrao tao Midiana. Tonga hantsaka rano ireo ary hameno ny tavin-drano mba hampisotroana ny ondry aman’osin-drainy.
Nisy vehivavy samaritanina anankiray tonga hantsaka rano, ka nitenenan’i Jesoa hoe: –Mba omeo rano Aho hosotroiko!
Teo akaikin’ny fampisotroan-drano, ireo mpizara rano ho an’ny biby fiompy no nankalaza ny fandresen’ny TOMPO, dia fandresena nomeny ireo lehiben’i Israely fony injay nirotsaka hiady teo am-bavahadin’ny tanàna ilay vahoakan’ny TOMPO.