Koa hoy izy tamin’ireo zatovony roa lahy: –Mijanòna eto ianareo miaraka amin’ny boriky, fa izaho sy ny zazalahy handeha hatreny an-tendrombohitra mba hivavaka amin’Andriamanitra, dia hiverina aty aminareo indray.
Genesisy 22:6 - DIEM PROTESTANTA Dia nalain’i Abrahama ny kitay hanaovana sorona ka natataony an’i Itsehàka zanany; fa izy kosa nitondra ny vainafo sy ny antsy. Ary raha mbola niara-nandeha izy mianaka, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nalain’i Abrahama ny hazo harehitra amin’ny fanatitra dorana manontolo ka natataony an’Isaka zanany, fa izy kosa no nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tanany. Dia niara-nandeha izy mianaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nalain’i Abrahama ny kitay hanaovana sorona ka natataony an’i Itsehàka zanany; fa izy kosa nitondra ny vainafo sy ny antsy. Ary raha mbola niara-nandeha izy mianaka, Baiboly Katolika Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, ka natataony an’i Isaaka zanany, ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany, dia niara-nandeha izy mianaka. Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy: Baiboly Protestanta Malagasy Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny fanatitra dorana ka natataony an’Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka. Malagasy Bible Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka. La Bible en Malgache Dia nalain’i Abrahama ny hazo harehitra amin’ny fanatitra dorana manontolo ka natataony an’Isaka zanany, fa izy kosa no nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tanany. Dia niara-nandeha izy mianaka. |
Koa hoy izy tamin’ireo zatovony roa lahy: –Mijanòna eto ianareo miaraka amin’ny boriky, fa izaho sy ny zazalahy handeha hatreny an-tendrombohitra mba hivavaka amin’Andriamanitra, dia hiverina aty aminareo indray.
Ary hoy indray i Elià tamin’i Elisà: –Mijanona eto re ianao, fa irahin’ny TOMPO hankany Jôrdàna aho. Fa novaliany hoe: –Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niara-nandeha izy mianaka.
Isika rehetra dia tahaka ny ondry nania, fa samy efa nandeha tamin’ny lalantsika avy; ka nahatran’ny TOMPO tamin’ilay Mpanompony avokoa ny vokatry ny fahadisoantsika rehetra.
hany ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: «Izy no naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.»
Ary ny tenan’i Jesoa no nitondra ny hazofijaliany, ka niainga ho any amin’ny toerana atao hoe Ikarandoha, na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebreo.
ny tenan’i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin’ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.