I Tigra no anaran’ny sampan-drano fahatelo mandalo any atsinanan’i Asiria. Ary i Eofrata no anaran’ny sampan-drano fahefatra.
Genesisy 2:15 - DIEM PROTESTANTA Ary nalain’ny TOMPO Andriamanitra raolombelona ka napetrany tao amin’ny zaridainan’i Hedena mba hanolokolo sy hitandrina azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO Andriamanitra naka an-dRalehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena mba hiasa sy hitandrina azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nalain’ny TOMPO Andriamanitra raolombelona ka napetrany tao amin’ny zaridainan’i Hedena mba hanolokolo sy hitandrina azy. Baiboly Katolika Dia nalain’i Iaveh Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin’ny sahan’i Edena, mba hiasa sy hiandry azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy. Malagasy Bible Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy. La Bible en Malgache Ary NY TOMPO Andriamanitra naka an-dRalehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena mba hiasa sy hitandrina azy. |
I Tigra no anaran’ny sampan-drano fahatelo mandalo any atsinanan’i Asiria. Ary i Eofrata no anaran’ny sampan-drano fahefatra.
Ary IZY nandidy an-draolombelona hoe: «Azonao ihinanana avokoa ny voa avy amin’ny hazo rehetra ao amin’ny zaridaina;
Rehefa vitan’Andriamanitra ny asany, dia nitsahatra tamin’izay rehetra nataony Izy tamin’ny andro fahafito.
Avy eo dia novolen’ny TOMPO Andriamanitra zaridaina tao Hedena, tany atsinanana, mba hametrahany an-draolombelona izay namboariny.
Moa nanafina ny fahadisoako tahaka ny sarambaben’olona ve aho na nikobona ny heloko tato anatiko?
Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony; fa aleo mikely aina manao zavatra tsara, mba hisy homeny izay sahirana.