Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 18:9 - DIEM PROTESTANTA

Ary nanontany izy telo lahy hoe: –Aiza i Sarà vadinao? Ka hoy ny navaliny azy: –Indro ao an-day izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy izy telo lahy tamin’i Abrahama: Aiza i Saraha vadinao? Dia hoy izy: Indro, ao an-day izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nanontany izy telo lahy hoe: –Aiza i Sarà vadinao? Ka hoy ny navaliny azy: –Indro ao an-day izy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Raha efa izany dia hoy ireo taminy: «Aiza i Sarà vadinao?» Hoy ny navaliny: «Ao an-day ao izy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy izy telo lahy tamin’i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy izy telo lahy tamin’i Abrahama: Aiza i Saraha vadinao? Dia hoy izy: Indro, ao an-day izy.

Jereo ny toko



Genesisy 18:9
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia nilaza ny iray tamin’ny vahiny hoe: –Hiverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, ka hitera-dahy i Sarà vadinao. I Sarà anefa tamin’izay dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay, tao an-damosin’i Abrahama.


Dia nalainy ny dibera sy ronono ary ny zanak’omby efa voavoatra ka narosony tamin’ireo vahiny. Dia nihinana ireo fa i Abrahama kosa nitsangana teo akaikiny teo am-pototry ny hazo.


Avy eo dia nampandrosoin’i Itsehàka tao an-dain’i Sarà reniny i Rebekà, ka nalainy ho vady sy notiaviny; dia nampionona an’i Itsehàka izany taorian’ny nahafatesan-dreniny.


Niantso an-dralehilahy ny TOMPO Andriamanitra ka nanao taminy hoe: –Aiza moa ianao?


Nidiran’i Labàna ny lain’i Jakôba sy ny an’i Leà ary ny an’ireo mpanompovavy roa fa tsy nahita izy. Ary nivoaka avy tao amin’ny lain’i Leà izy, dia niditra tao amin’ny lain’i Rahely.


Ary ny TOMPO nanontany an’i Kaina hoe: –Aiza moa i Abela rahalahinao? Dia hoy i Kaina hoe: –Tsy fantatro! Moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?


hahafehy tena, hadio toetra, hahakojakoja tokantrano, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hanevateva ny tenin’Andriamanitra.


Finoana no nonenany toy ny mpiavy tao amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra ho azy. Tranolay no nitoerany, dia izy mbamin’i Itsehàka sy i Jakôba, izay samy nandray izany fampanantenana izany.