Koa niverina faingana ho any an-day i Abrahama hilaza amin’i Sarà hoe: –Haingàna maka lafarinina tsara indrindra intelon’ny famarana ka manendasa mofo.
Genesisy 18:7 - DIEM PROTESTANTA Avy teo i Abrahama dia nihazakazaka nankany amin’ny andian’ombiny ary naka zanak’omby matavy tsara ka nomeny ny mpanompony mba hamboariny haingana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nihazakazaka kosa i Abrahama nankany amin’ny omby, dia naka zanak’omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin’ny zatovo, izay lasa haingana hanamboatra izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy teo i Abrahama dia nihazakazaka nankany amin’ny andian’ombiny ary naka zanak’omby matavy tsara ka nomeny ny mpanompony mba hamboariny haingana. Baiboly Katolika «Faingàna ianao, mangalà lafarina intelon’ny famarana, ditio ka ataovy mofo.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin’ny omby, dia naka zanak’omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin’ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy. Malagasy Bible Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin'ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy. La Bible en Malgache Nihazakazaka kosa i Abrahama nankany amin’ny omby, dia naka zanak’omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin’ny zatovo, izay lasa haingana hanamboatra izany. |
Koa niverina faingana ho any an-day i Abrahama hilaza amin’i Sarà hoe: –Haingàna maka lafarinina tsara indrindra intelon’ny famarana ka manendasa mofo.
Dia nalainy ny dibera sy ronono ary ny zanak’omby efa voavoatra ka narosony tamin’ireo vahiny. Dia nihinana ireo fa i Abrahama kosa nitsangana teo akaikiny teo am-pototry ny hazo.
Fa noteren’i Lôta fatratra izy, ka nivily ary niditra tao an-tranony. Dia nanamboarany sakafo sy nanendasany mofo tsy misy leviora ireo, ka nihinana.
mandrimandry eo ambony farafara miravaka ivoara ianareo ary mitsilailay eo ambony divà sady mihinana zanak’ondry avy tamin’ny andriany sy zanak’omby matavy.
Ho voaozona anie ny mpamitaka izay manana biby salama ao amin’ny andian’ondriny; saingy rehefa manao voady izy, dia biby manan-kilema no ataony sorona amiko. Eny, mpanjaka lehibe ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao; ary mampihorohoro ny firenen-drehetra ny lazako.
Dia mpiasa hafa indray no nirahiny sady nataony hoe: «Izao lazaina amin’ireo olona nasaina: Indro ny sakafo efa voaomako, ny ombiko sy ny biby nafahy efa voavono ary ny zavatra rehetra efa vonona; koa tongava amin’ny fanasambe.»
Dia novalian’ilay mpiasa hoe: «Tonga ao ny rahalahinao ka nasain-drainao novonoina ilay zanak’omby nafahy satria tafaverina soa aman-tsara eto aminy ny zanany lahy!»
Fa nony tonga kosa io zanakao io, izay nahafongana ny fanananao tamin’ny vehivavy mpivarotena, dia amonoanao ny zanak’omby nafahy.»
Najedak’ilay vehivavy faingana ny zanak’omby mifahy iray tao aminy, dia naka lafarinina izy ka nopotseriny ary nendasiny ho mofo tsy misy leviora.