Dia nifampiresaka izy ka nanao hoe: «Andao isika hanao biriky tanimanga ka handotra azy amin’ny afo.» Ny biriky no nataony solon’ny vato ary ny molanga no nataony solon’ny rihitra.
Genesisy 14:10 - DIEM PROTESTANTA Nisy lava-drano betsaka nandrevo tao amin’ny lohasahan’i Sidima, ka rahefa nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy i Gômôra, dia nianjera tao ary ireo sisa kosa nandositra tany an-tendrombohitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny lohasahan’i Sidima dia feno lavaka godorao; koa rehefa nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora dia latsaka tao, ary ny sisa dia nandositra tany an-tendrombohitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy lava-drano betsaka nandrevo tao amin’ny lohasahan’i Sidima, ka rahefa nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy i Gômôra, dia nianjera tao ary ireo sisa kosa nandositra tany an-tendrombohitra. Baiboly Katolika Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan’i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra ka latsaka tamin’ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lohasahan’i Sidima, dia be lavak’asfalta, ary nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. Malagasy Bible Ary ny lohasahan'i Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. La Bible en Malgache Ny lohasahan’i Sidima dia feno lavaka godorao; koa rehefa nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora dia latsaka tao, ary ny sisa dia nandositra tany an-tendrombohitra. |
Dia nifampiresaka izy ka nanao hoe: «Andao isika hanao biriky tanimanga ka handotra azy amin’ny afo.» Ny biriky no nataony solon’ny vato ary ny molanga no nataony solon’ny rihitra.
Nofaohin’ireo mpandresy avokoa ny haren’ny tao Sôdôma sy tao Gômôra mbamin’ny sakafo rehetra, dia lasa izy ireo.
Ary rehefa niverina avy nandresy an’i Kedôrlahômera sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, dia niainga ny mpanjakan’i Sôdôma mba hitsena azy tao an-dohasahan’i Save, izany hoe tao an-dohasahan’ny mpanjaka.
Ary ny mpanjakan’i Sôdôma dia niteny tamin’i Abrama hoe: –Omeo ahy ny olona fa ento ho anao kosa ny harena.
Izy rehetra ireo dia nifamotoana tao amin’ny lohasahan’ny Sidima, izay rakotry ny Ranomasina Maty ankehitriny.
izany hoe i Kedôrlahômera mpanjakan’i Helama, sy i Tidehala mpanjakan’i Gôima, sy i Amrafela mpanjakan’i Sinehara, ary i Ariôka mpanjakan’i Elasara; mpanjaka dimy mikatroka amin’ny efatra.
Ary nony efa tafavoakany tany ivelan’ny tanàna izy mianakavy, dia hoy ny anjely anankiray tamin’i Lôta: –Avoty ny ainao ka aza miherika any aoriana ary aza mijanonjanona na aiza na aiza ato amin’ny faritany; mandosira eny an-tendrombohitra, fandrao levona ianao.
Natahotra ny hijanona tao Tsôhara i Lôta, koa nandao ny tanàna mba handeha honina any an-tendrombohitra. Niaraka taminy koa ny zanany roa vavy; ary nipetraka tao amin’ny zohy izy telo mianaka.
Andriamanitra ô, ataovy tahaka an’i Siserà ireo, ataovy tahaka an’i Siserà sy i Jabîna teo amin’ny renirano Kisôna, na ataovy tahaka ny Midianita
Koa izay mandositra ny kiakiaka vokatry ny fampihorohoroana, dia ho latsaka ao anatin’ny longoa; ary izay tafakatra avy ao amin’ny longoa dia ho voan’ny fandrika harato. Misokatra ny hidin-drano any ambony, ka mihozongozona ny fanorenan’ny tany.
Izay mandositra noho ny fampihorohoroana dia ho latsaka ao anatin’ny longoa; ary izay tafakatra avy ao amin’ny longoa dia ho voan’ny fandrika harato. Izany no hampihariko amin’i Môaba rehefa migadona ny taona hamaliako azy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
Novonoin’ny Israelita teny an-kodahoda avokoa ireo lehilahin’i Hay nanenjika azy. Ary rehefa matin’ny sabatra avokoa ireo, dia niverina tao Hay ny Israelita rehetra namely an-tsabatra ny mponina sisa tao.