Taorian’ny nahaterahan’i Seroga, dia mbola velona 207 taona i Rehò, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
Genesisy 11:22 - DIEM PROTESTANTA Rehefa feno 30 taona i Seroga, dia niteraka an’i Nahôra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Telopolo taona i Seroga raha niteraka an’i Nahora. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa feno 30 taona i Seroga, dia niteraka an’i Nahôra. Baiboly Katolika Rehefa telopolo taona ny andro niainan’i Saroga dia niteraka an’i Nakôra izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’i Seroga, dia niteraka an’i Nahora izy. Malagasy Bible Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Seroga, dia niteraka an'i Nahora izy, La Bible en Malgache Telopolo taona i Seroga raha niteraka an’i Nahora. |
Taorian’ny nahaterahan’i Seroga, dia mbola velona 207 taona i Rehò, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
Taorian’ny nahaterahan’i Nahôra, dia mbola velona 200 taona i Seroga, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.
Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Tany andafin’ny ony Eofrata no niorim-ponenana ny razambenareo fahiny, izany hoe ny fianakavian’i Tera, rain’i Abrahama sy i Nahôra; ary nanompo andriamani-kafa ry zareo.