Ary ny habakabaka nantsoin’Andriamanitra hoe lanitra. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro faharoa.
Genesisy 1:9 - DIEM PROTESTANTA Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka hihandrona amin’ny toerana iray ny rano etỳ ambanin’ny lanitra ka ho hita ny toerana maina!» Dia tanteraka izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka hiangona ho eo amin’ny toerana iray ny rano izay eny ambanin’ny lanitra, ary aoka hiseho ny maina! Dia nisy izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka hihandrona amin’ny toerana iray ny rano etỳ ambanin’ny lanitra ka ho hita ny toerana maina!» Dia tanteraka izany. Baiboly Katolika Hoy Andriamanitra: «Aoka hiangona amin’ny fitoerana iray ny rano eo ambanin’ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina.» Dia tanteraka izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Andriamanitra nanao hoe; Aoka hiangona ny rano eny ambanin’ny lanitra ho eo amin’ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany. Malagasy Bible Ary Andriamanitra nanao hoe : Aoka hiangona ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo amin'ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany. La Bible en Malgache Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka hiangona ho eo amin’ny toerana iray ny rano izay eny ambanin’ny lanitra, ary aoka hiseho ny maina! Dia nisy izany. |
Ary ny habakabaka nantsoin’Andriamanitra hoe lanitra. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro faharoa.
Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny habakabaka midadasika mbamin’ny kintana rehetra ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Ianao no mamelona ny voaary rehetra, ka iankohofan’ny tafiky ny lanitra.
Hodidininy faribolana ny ranomasimbe, dia amin’izay mampisaraka ny mazava sy ny maizina.
Izy no mamelatra ny lanitra avaratra eny amin’ny babangoana ambony eny, ary mampihevaheva ny tany eny ana habakabaka.
ary nametraka rihana hataonao fonenana any ankoatran’ny rano ambony any. Nataonao kalesy ny rahona hisosanao amin’ny elatry ny rivotra;
Mivarina any an-dranomasina ny ony rehetra, nefa tsy mety feno ny ranomasina, na dia tsy an-kiato aza no ivarinan’ny ony amin’izany toerana izany.
Tsy mba atahoranareo akory ve Izaho TOMPO? Tsy mba mangovitra eo anatrehako ve ianareo? Izaho anefa no nametraka ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy hihoarany: na dia misamboaravoara mafy aza izy dia tsy mahavaky izany fefy izany; na dia mirohondrohona be aza ny onjany, dia tsy afaka mihoatra azy.
Hoy ny navalin’i Jônà ireo: –Hebreo aho, ary ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra Izay nanao ny ranomasina sy ny tany no ivavahako.
Eny, inian’ireo mpaniratsira ireo hadinoina fa hatramin’ny ela Andriamanitra no niteny nampisy ny habakabaka sy ny tany; ka ny tany dia nipoitra avy amin’ny rano sady ny rano koa no nampirafitra azy ho mafy.
sady nianiana tamin’Ilay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny habakabaka mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy, ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy; ka hoy ilay anjely hoe: –Tsy hisy hataka andro intsony!