Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Filemona 1:8 - DIEM PROTESTANTA

Noho izany, na dia azoko atao tsara aza, araka ny fahefana nomen’i Kristy ahy, ny handidy anao ny amin’izay tokony hataonao,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’i Kristy handidy anao amin’izay mendrika aza aho

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho izany, na dia azoko atao tsara aza, araka ny fahefana nomen’i Kristy ahy, ny handidy anao ny amin’izay tokony hataonao,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Koa amin’izany, na dia azoko atao aza ny mandidy anao ao amin’i Kristy amin’izay tokony hataonao,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’i Kristy handidy anao amin’izay mendrika aza aho,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’i Kristy* handidy anao amin’izay mendrika aza aho

Jereo ny toko



Filemona 1:8
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary tsy hahazo henatra aho na dia ireharehako somary tafahoatra aza ny fahefana nomen’ny Tompo anay, dia fahefana hampandrosoana ny Fiangonanareo fa tsy handravana azy.


Hanalam-baràka ny tenanay no ilazako ho: osa loatra izahay ka tsy nahavita izany! Kanefa izay sahin’ny olona lazaina – miteny toy ny adala aho – dia mba sahiko lazaina koa.


Satria manana izany fanantenana izany izahay, dia be fahasahiana tokoa.


Fadio ny teny vetaveta sy resaka valavala na voso-dratsy izay samy tsy tokony hatao; fa aleo manao tonombavaka fisaorana an’Andriamanitra.


Fantatrareo koa fa taloha kelin’izay, dia nampijalîna sy nalam-baràka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen’ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly avy aminy, na dia be aza ny fanoherana.


Tsy nitady voninahitra tamin’olombelona izahay, na taminareo na tamin’ny hafa,