Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Filemona 1:5 - DIEM PROTESTANTA

satria reko ny fitiavanao ny vahoakan’Andriamanitra rehetra sy ny finoanao an’i Jesoa Tompo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ny amin’i Jesosy Tompo sy ho an’ny olona masina rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

satria reko ny fitiavanao ny vahoakan’Andriamanitra rehetra sy ny finoanao an’i Jesoa Tompo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

satria reko ny finoanao an’i Jesoa Tompo sy ny fitiavanao ny olona masina rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an’i Jesosy Tompo sy ho an’ny olona masina rehetra,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ny amin’i Jesosy Tompo sy ho an’ny olona masina rehetra.

Jereo ny toko



Filemona 1:5
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny tany no tena tsara laza ka sitrako fatratra.


Ny Jiosy ary koa ny hafa firenena dia samy nijoroako ho vavolombelona ka notaomiko hiala tamin’ny toe-dratsy ka hitodika amin’Andriamanitra sady hino an’i Jesoa Tompontsika.


mandraisa anjara amin’ny fanampiana ireo sahirana amin’ny samy vahoakan’Andriamanitra; mazotoa mandray vahiny.


Momba ny famoriam-bola atao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra any Jerosalema, dia izao: mba manaova koa ianareo, araka ireo fepetra nasaiko narahin’ny Fiangonana rehetra any Galatia.


Fa ho an’izay tafaray amin’i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.


Noho izany, rehefa nandre ny finoanareo an’i Jesoa Tompo sy ny fitiavanareo ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho,


Eny, velom-pisaorana an’Andriamanitra izahay satria renay laza ny finoanareo an’i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.


Efa tafaverina atỳ aminay izao i Timôty avy tatỳ aminareo, ka nilaza vaovao tsara taminay momba ny finoanareo sy ny fitiavanareo. Nilazany koa izahay fa mahatsiaro tsara anay mandrakariva ianareo sady maniry mafy ny hahita anay, toy ny anirianay mafy hahita anareo.


Ry rahalahy, nampifaly ahy fatratra sady nampahery ahy ny fitiavanao satria efa novelombelominao ny fon’ny vahoakan’Andriamanitra.


Ary ny didin’Andriamanitra dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomen’i Kristy antsika.