Raha vao nanjaka i Kserksesa, dia nanoratra taratasy ho azy ny fahavalon’ny Jiosy mba hanendrikendrika ny mponina tao Jerosalema sy eran’i Joda.
Estera 8:7 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny amperôra Kserksesa tamin’i Estera mpanjakavavy sy tamin’i Môrdôkay ilay Jiosy: –Indro efa nahantona tamin’ny hazo i Hamàna satria naninji-tanana hamely ny Jiosy; sady ireo fananany koa, ry Estera, efa nomeko anao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Ahasoerosy mpanjaka tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, sy tamin’i Mordekay jiosy: Indro ny tranon’i Hamana dia efa nomeko an’i Estera; izy dia efa nahantona tamin’ny hazo satria nanatsotra ny tanany hamely ny Jiosy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny amperôra Kserksesa tamin’i Estera mpanjakavavy sy tamin’i Môrdôkay ilay Jiosy: –Indro efa nahantona tamin’ny hazo i Hamàna satria naninji-tanana hamely ny Jiosy; sady ireo fananany koa, ry Estera, efa nomeko anao. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, sy tamin’i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon’i Hamana efa nomeko an’i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin’ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy; Malagasy Bible Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka sy tamin'i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon'i Hamana efa nomeko an'i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin'ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy; La Bible en Malgache Dia hoy i Ahasoerosy mpanjaka tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, sy tamin’i Mordekay jiosy: Indro ny tranon’i Hamana dia efa nomeko an’i Estera; izy dia efa nahantona tamin’ny hazo satria nanatsotra ny tanany hamely ny Jiosy. |
Raha vao nanjaka i Kserksesa, dia nanoratra taratasy ho azy ny fahavalon’ny Jiosy mba hanendrikendrika ny mponina tao Jerosalema sy eran’i Joda.
Ary nahantona tamin’ilay hazo efa nomaniny hanantonana an’i Môrdôkay i Hamàna. Dia vao izay no nionona ny fahatezeran’ny amperôra.
Fa i Harbonà, anisan’ireo tandapa, dia nilaza tamin’ny amperôra hoe: –Ry andriamanjaka, i Hamàna dia efa nampanamboatra hazo hanantonany an’i Môrdôkay, ilay nanao tatitra hanasoavana anao. Indro miorina eo akaikin’ny tranon’i Hamàna io hazo io, ka 25 metatra ny haavony. Dia hoy ny amperôra hoe: –Ahantony amin’io i Hamàna!
Androtr’io ihany dia nomen’ny amperôra Kserksesa ho an’i Estera mpanjakavavy ireo fananan’i Hamàna fahavalon’ny Jiosy. I Môrdôkay koa, rehefa nampahafantarin’i Estera fa rainy izy, dia nasaina hankeo amin’ny amperôra.
Ny olona tsara fanahy mamela lova ho an’ny taranany; fa ny haren’ny mpanota kosa voatahiry ho an’ny olo-marina.
I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin’ny ozona tanisain’ny lalàna; fa nanjary niharan’ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo!»