Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 8:16 - DIEM PROTESTANTA

Ny Jiosy dia miramirana sy ravoravo ary heni-kafaliana amam-boninahitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Teo amin’ny Jiosy dia fahazavana, haravoravoana, fifaliana ary voninahitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny Jiosy dia miramirana sy ravoravo ary heni-kafaliana amam-boninahitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Teo amin’ny Jiosy dia fahazavana, haravoravoana, fifaliana ary voninahitra.

Jereo ny toko



Estera 8:16
14 Rohy Ifampitohizana  

«Ndeha vorio àry ny Jiosy rehetra eto Sosany; dia manaova fifadian-kanina noho ny amiko ianareo, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro sy telo alina. Hifady hanina toy izany koa ny tenako sy ireo mpanompovaviko; avy eo dia hankao amin’ny amperôra aho, na dia tsy ara-dalàna aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia ho faty!»


na dia ao anatin’ny haizina aza dia iposahan’ny hazavana ireo olo-mahitsy izay miantra sy mamindrafo ary mitandro ny fahamarinana;


Ny TOMPO no Andriamanitra, ka hanazava antsika anie Izy! Milahara mitana sampan-drofia, ka manatòna ny zoron’ny alitara.


Ianao mihitsy no mamonjy ny vahoaka ory, fa mampitanondrika an’ireo mpiavonavona.


Dia navadikao ho dihy ny alaheloko. Nesorinao tamiko ny fitafiam-pisaonako ka nosoloanao akanjom-pifaliana.


Misy hazavana mamiratra ho an’ny olo-marina, ka mitondra haravoana izany ho an’ny mahitsy fo.


Mifaly amin’ny fahombiazan’ny olo-marina ny tanàna, ary velom-pihobiana amin’ny fahafatesan’ny olon-dratsy.


Rehefa mandresy ny olo-marina, dia ankalazain’ny besinimaro; fa rehefa ny olon-dratsy no mahery, dia ieren’ny olona.


Izany no lalana hiverenan’ireo navotan’ny TOMPO, ka hahatongavany ao Tsiôna amin’ny fihobiana; haravoana mandrakizay no ho eny amin’ny endriny, hafaliana sy haravoana no hanenika azy fa handositra kosa ny alahelo aman-tsento.