Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 6:3 - DIEM PROTESTANTA

Ary hoy ny amperôra hoe: –Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an’i Môrdôkay noho izany? Fa novalian’ireo mpanompo mpikarakara ny amperôra hoe: –Tsy mbola nisy nomena azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratam-boninahitra mba efa nomena an’i Mordekay noho izany? Fa hoy ny mpanompon’ny mpanjaka izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy ny amperôra hoe: –Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an’i Môrdôkay noho izany? Fa novalian’ireo mpanompo mpikarakara ny amperôra hoe: –Tsy mbola nisy nomena azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an’i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon’ny mpanjaka izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an'i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon'ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratam-boninahitra mba efa nomena an’i Mordekay noho izany? Fa hoy ny mpanompon’ny mpanjaka izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy!

Jereo ny toko



Estera 6:3
12 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo nanadino tanteraka an’i Jôsefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro.


Dia hoy i Davida: «Izay hamely voalohany ny Jebosita dia hatao filohan’ny tafika». Ary i Jôaba, zanakalahin’i Tseroià, no nanafika voalohany; koa izy no nanjary filohan’ny tafika.


Ka hita voasoratra tao fa i Môrdôkay no nanambara ny amin’i Bigtana sy i Taresa, roa lahy anisan’ny tandapan’ny amperôra, dia ireo mpiambina teo am-baravaran’ny efitranony kanefa nitady hamono an’i Kserksesa.


Ary hoy indray ny amperôra hoe: –Iza no ao an-kianja ao? I Hamàna kosa no efa sendra niditra tao an-kianja. Tonga izy hangataka amin’ny amperôra ny hanantonana an’i Môrdôkay amin’ilay hazo efa nomanina ho azy.


Nisy lehilahy iray mahantra nefa hendry tao, izay afaka nahavonjy ny tanàna noho ny fahendreny. Saingy tsy mba nisy olona nahatsiaro ilay olo-mahantra.


Nandre ny momba anao aho, fa ianao no mahalaza hevi-javatra sy mamaha olana; ankehitriny raha mahay mamaky io soratra io sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina jaky; sady hasiana volamena ny vozonao ary ho isan’ny telo lahy mpiara-mitantana eto amin’ny fanjakana ianao.


Niaraka tamin’izay dia nanome baiko i Belsatsara mba hampiakanjoina jaky i Daniela sady hasiana rojo volamena ny vozony. Ary nasainy nambara am-pahabemaso koa fa i Daniela dia isan’ny telo lahy mpiara-mitantana eo amin’ny fanjakana.


Dia niantso tamin’ny feo mahery izy mba hampanalaina ny mpisikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy. Dia nitenenan’ny mpanjaka ireo olon-kendrin’i Babilôna ka nataony hoe: –Na iza na iza mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina jaky; sady hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan’ny telo lahy mpiara-mitantana eto amin’ny fanjakana izy.»