Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 6:11 - DIEM PROTESTANTA

Dia naka ny fanamiana sy ny soavaly i Hamàna, ka nampiakanjo an’i Môrdôkay ny fanamiana ary nampitaingina azy tamin’ny soavaly; dia izy ihany no nitondra azy ho eny an-kianjan’ny tanàna sady niantso teo alohany hoe: «Toy izao no ataon’ny amperôra amin’izay lehilahy iriny homem-boninahitra!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nalain’i Hamana ny akanjo sy ny soavaly ka nampiakanjo an’i Mordekay izy ary nampitaingina azy tamin’ny soavaly; dia nitondra azy ho eny amin’ny kianjan’ny tanàna izy ka niantso teo alohany hoe: Izao no atao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia naka ny fanamiana sy ny soavaly i Hamàna, ka nampiakanjo an’i Môrdôkay ny fanamiana ary nampitaingina azy tamin’ny soavaly; dia izy ihany no nitondra azy ho eny an-kianjan’ny tanàna sady niantso teo alohany hoe: «Toy izao no ataon’ny amperôra amin’izay lehilahy iriny homem-boninahitra!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nalain’i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an’i Mordekay izy ary nampitaingina azy tamin’ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nalain'i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an'i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin'ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nalain’i Hamana ny akanjo sy ny soavaly ka nampiakanjo an’i Mordekay izy ary nampitaingina azy tamin’ny soavaly; dia nitondra azy ho eny amin’ny kianjan’ny tanàna izy ka niantso teo alohany hoe: Izao no atao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra!

Jereo ny toko



Estera 6:11
9 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay ry Tatenay governoran’ny faritra andrefan’ny ony Eofrata sy ry Setara-Bôzenay mbamin’ireo namany dia nankatò an-tsakany sy an-davany izany teny nalefan’i Dariôsa ho azy izany.


Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamàna: –Alaonao faingana àry ny fanamiana sy ny soavaly araka ny voalazanao; ka dia ataovy araka izany amin’i Môrdôkay, ilay Jiosy miasa eo am-bavahadin’ny lapa. Aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao.


Ary niverina nankeo am-bavahadin’ny lapa i Môrdôkay; fa i Hamàna kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.


Fony i Môrdôkay nivoaka ny lapa, dia akanjo lava vita rongony madinika miloko jaky no nanaovany, fanamiam-piandrianana fotsy sy volomparasy no nitafiany, ary satroboninahitra volamena lehibe no nisatrohany; koa faly sy ravo i Sosany iray vohitra.


Nanampy ny Jiosy koa ny mpitondra rehetra isam-paritany sy ny solotenan’ny amperôra ary ny governora mbamin’ny mpandraharaha, satria nanindry azy ny fahatahorana an’i Môrdôkay.


Izay mikolokolo ny aviaviny hihinana ny voany ary izay mikarakara ny tompony homem-boninahitra.


Hanatona hiondrika eo anatrehanao ireo olona nampahory anao, ary handohalika eo am-paladianao ireo rehetra naneso anao ka hiantso anao hoe: «Tanànan’ny TOMPO» «I Tsiôna-n’ilay Masin’i Israely.»


Ny mpanjakazaka naongany hiala tamin’ny sezafiandrianany; ny tsinontsinona kosa nasandrany.


Indro atolotro anao ny sasany avy amin’ireo olona mivavaka amin’i Satàna: milaza ny tenany ho Jiosy ireo, kanjo tsiizy fa mandainga; indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloanao ireo, ka ho fantany fa tiako ianao.