Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 6:10 - DIEM PROTESTANTA

Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamàna: –Alaonao faingana àry ny fanamiana sy ny soavaly araka ny voalazanao; ka dia ataovy araka izany amin’i Môrdôkay, ilay Jiosy miasa eo am-bavahadin’ny lapa. Aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: Haingàna ary, alaivo ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao ka ataovy araka izany amin’i Mordekay jiosy izay mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamàna: –Alaonao faingana àry ny fanamiana sy ny soavaly araka ny voalazanao; ka dia ataovy araka izany amin’i Môrdôkay, ilay Jiosy miasa eo am-bavahadin’ny lapa. Aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: Faingàna ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin’i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin'i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: Haingàna ary, alaivo ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao ka ataovy araka izany amin’i Mordekay jiosy izay mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.

Jereo ny toko



Estera 6:10
7 Rohy Ifampitohizana  

Aoka ho fantatrareo àry fa tsy hisy raraka an-tany ny teny izay nolazain’ny TOMPO ny amin’ny taranak’i Ahaba! Fa ny TOMPO efa nanatanteraka izay nampilazainy an’i Elià mpanompony.


Dia naka ny fanamiana sy ny soavaly i Hamàna, ka nampiakanjo an’i Môrdôkay ny fanamiana ary nampitaingina azy tamin’ny soavaly; dia izy ihany no nitondra azy ho eny an-kianjan’ny tanàna sady niantso teo alohany hoe: «Toy izao no ataon’ny amperôra amin’izay lehilahy iriny homem-boninahitra!»


Hatolotra ny anankiray amin’ireo andriambaventy voatendrinao izany fanamiana sy soavaly izany; ary aoka izay lehilahy irinao homem-boninahitra hampiakanjoiny ny fanamianao sy hampitaingeniny amin’ny soavalinao. Dia io andriambaventy io ihany no hitondra azy eny an-kianjan’ny tanàna sady hiantso eo alohany hoe: «Toy izao no ataon’ny amperôra amin’izay lehilahy iriny homem-boninahitra!»


Ry mpivavaka rehetra, tiava ny TOMPO satria Izy miaro an’izay mino Azy; fa ireo mpiavonavona kosa dia valiany tsy an’erany izay nataony.


Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.


toraka izay nitiavany voninahitra sy filibana no anomezo azy fanaintainana sy fisaonana. Fa izao no lazain’io tanàna io anakampony: ‹Mipetraka toy ny mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ka lavitra ahy raha izay fisaonana!›