Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 3:10 - DIEM PROTESTANTA

Dia nesorin’ny amperôra teny an-tanany ny peratra tombokase ka nomeny an’ilay fahavalon’ny Jiosy, dia i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nesorin’ny mpanjaka tamin’ny tanany ny peratra fitombo-kaseny ka nomeny an’i Hamana, zanak’i Hamedota agagita, fahavalon’ny Jiosy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nesorin’ny amperôra teny an-tanany ny peratra tombokase ka nomeny an’ilay fahavalon’ny Jiosy, dia i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nesorin’ny mpanjaka tamin’ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an’i Hamana, zanak’i Hamedota Agagita, fahavalon’ny Jiosy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nesorin'ny mpanjaka tamin'ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nesorin’ny mpanjaka tamin’ny tanany ny peratra fitombo-kaseny ka nomeny an’i Hamana, zanak’i Hamedota agagita, fahavalon’ny Jiosy*.

Jereo ny toko



Estera 3:10
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia nesorin’ny Farao teny an-tanany ny peratra maha mpanjaka, ka napetrany teny an-tanan’i Jôsefa, sady nampitafiny akanjo rongony fotsy madinika izy; ary napetrany teny am-bozony ny rojo volamena.


Tatỳ aorian’izany, dia nomen’ny amperôra Kserksesa laharana ambony i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga, ka nasandrany hipetraka eo amin’ny toerana maha praiminisitra.


ary hoy izy tamin’i Hamàna: –Afoy ho anao ny volafotsy; ary hatolotra anao koa izany firenena izany hanaovanao azy araka izay sitrakao.


Koa raha sitrakao, dia aoka ianao hamoaka didy an-tsoratra mba handringanana azy; volafotsy 340 000 kilao kosa no haloako ho eo an-tanan’ireo mpandraharahanao mba harotsany ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.


Ka novalian’i Estera hoe: –Io Hamàna ratsy fanahy io no fahavalonay sy mpankahala anay! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ny amperôra sy ny mpanjakavavy i Hamàna.


Ary nesorin’i Kserksesa ilay peratra tombokase, izay efa nalainy tamin’i Hamàna, ka nomeny an’i Môrdôkay. Ankoatra izany i Môrdôkay dia notendren’i Estera hitantana ireo fananan’i Hamàna.


Tsy azo foanana rehefa taratasy voasoratra tamin’ny anarako sy voatomboka tamin’ny peratro; kanefa manorata taratasy amin’ny anarako ianareo, araka izay sitrakareo mba hamonjena ny Jiosy, ka tombohy amin’ny peratro izany.