Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 1:7 - DIEM PROTESTANTA

Tsatokaty volamena karazany samy hafa no nampisotroana ny olona ary nitobaka ny divay satria nalala-tanana tokoa ny amperôra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nampisotroina tamin’ny kapoaka volamena ny olona ka samihafa avokoa ny kapoaka, ary betsaka ny divain’ny mpanjaka araka ny fanomen’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsatokaty volamena karazany samy hafa no nampisotroana ny olona ary nitobaka ny divay satria nalala-tanana tokoa ny amperôra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny olona dia nampisotroina tamin’ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain’andriana araka ny fanomen’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny olona dia nampisotroina tamin'ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain'andriana araka ny fanomen'ny mpanjaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nampisotroina tamin’ny kapoaka volamena ny olona ka samihafa avokoa ny kapoaka, ary betsaka ny divain’ny mpanjaka araka ny fanomen’ny mpanjaka.

Jereo ny toko



Estera 1:7
6 Rohy Ifampitohizana  

Volamena avokoa ny tsatokaty fisotroan’i Salômôna mpanjaka; ary volamena tsara avokoa ny kojakoja rehetra tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano». Tsy nisy vita volafotsy ireo, satria noheverina ho tsy dia sarobidy loatra izany tamin’ny andron’i Salômôna.


Volamena avokoa ny tsatokaty fisotroan’i Salômôna mpanjaka; ary volamena tsara avokoa ny kojakoja rehetra tao amin’ilay trano antsoina hoe «Alan’i Libano.» Tsy nisy vita volafotsy ireo, satria noheverina ho tsy dia sarobidy loatra izany tamin’ny andron’i Salômôna.


Araka ny fepetra dia samy nisotro tsy nisy naneritery azy ny olona; fa ny nandidian’ny amperôra ireo mpanompo rehetra ao an-dapany manko dia ny hanaovan’ny olona tsirairay araka izay sitrapony avy.


Dia nanao fanasana ny amperôra ho fanomezam-boninahitra an’i Estera ka niantso izay rehetra andriambaventiny sy mpandraharahany izy. Nisy hetra nofoanany ho an’ireo mponina isam-paritra eran’ny fanjakany sady nisy fanomezana be nataony, satria nalala-tanana tokoa izy.


Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.