Estera 1:21 - DIEM PROTESTANTA Sitraky ny amperôra sy ireo minisitra ny torohevitr’i Memokàna, ka dia narahin’i Kserksesa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpitondra izany teny izany ka nanatanteraka ny tenin’i Memokana ny mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Sitraky ny amperôra sy ireo minisitra ny torohevitr’i Memokàna, ka dia narahin’i Kserksesa. Baiboly Protestanta Malagasy Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin’i Memokana ny mpanjaka, Malagasy Bible Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin'i Memokana ny mpanjaka, La Bible en Malgache Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpitondra izany teny izany ka nanatanteraka ny tenin’i Memokana ny mpanjaka. |
Koa raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy didy havoakanao hisakanana an’i Vastỳ tsy hiseho eo anatrehanao intsony ary hanomezana ny voninahitra maha mpanjakavavy ho ana vehivavy hafa mendrika izany kokoa noho izy; izany didy izany dia hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy i Media ka tsy ho azo ovàna.
Rehefa ho tafaely eran’ity fanjakànao midadasika ity ny fanapahan-kevitra halainao, dia samy homen’ny vehivavy rehetra voninahitra ny vadiny, na lehibe na kely.
Nandefasany taratasy ny faritany rehetra manerana ny fanjakany, dia taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony; notakina mba ho masi-mandidy ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra ary mba ho ny fitenim-pireneny no hampisain’ny ankohonany.
ka izay tovovavy sitrakao no ho mpanjakavavy solon’i Vastỳ. Sitraky ny amperôra izany torohevitra izany ka dia narahiny.