Sitraky ny amperôra sy ireo minisitra ny torohevitr’i Memokàna, ka dia narahin’i Kserksesa.
Estera 1:20 - DIEM PROTESTANTA Rehefa ho tafaely eran’ity fanjakànao midadasika ity ny fanapahan-kevitra halainao, dia samy homen’ny vehivavy rehetra voninahitra ny vadiny, na lehibe na kely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa rehefa re manerana ny fanjakany rehetra, izay lehibe tokoa, ny didin’ny mpanjaka izay havoakany dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy ny vehivavy rehetra na lehibe na kely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa ho tafaely eran’ity fanjakànao midadasika ity ny fanapahan-kevitra halainao, dia samy homen’ny vehivavy rehetra voninahitra ny vadiny, na lehibe na kely. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha torina eran’ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn’ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy, na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra. Malagasy Bible Ary raha torina eran'ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn'ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra. La Bible en Malgache Koa rehefa re manerana ny fanjakany rehetra, izay lehibe tokoa, ny didin’ny mpanjaka izay havoakany dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy ny vehivavy rehetra na lehibe na kely. |
Sitraky ny amperôra sy ireo minisitra ny torohevitr’i Memokàna, ka dia narahin’i Kserksesa.
Taorian’izany, rehefa nionona ny fahatezeran’ny amperôra Kserksesa, dia nahatsiaro izay efa nataon’i Vastỳ sy izay tinapaka ny aminy izy.
Kanefa miantefa aminareo mivady rehetra koa izany: ka aoka samy ho tahaka ny itiavan’ny lehilahy ny tenany no hitiavany ny vadiny, ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.
Ary handre izany ny vahoaka rehetra, dia hatahotra ka tsy hoentim-piavonavonana toy izany intsony.
Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo; ary handre izany ny Israelita rehetra ka hatahotra.
Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety amin’ny maha mpanaraka ny Tompo anareo.